lun.
09
mai
2011
Nanomboka tamin’ny zoma ny fametrahana ireo trano eva « chapiteaux » hivarotan’ireo mpivarotra amin’ny lalan’ny By Pass. Tranoheva mitovy avokoa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny STAR. 50 aloha no napetraka tamin’io andro io. Hiova endrika tanteraka By Pass satria hiara-hiasa akaiky ny kaominina, ny mpivarotra, ny mpandraharaha, amin’ny fandaminana ny manodidina. Hanome tanana ihany koa ny faritra Analamanga ary manara-maso ara-teknika ny MATD. Efa voapetrapetraka avokoa ny toeran’ireo mpivarotra, ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia. Na izany aza dia niaraha-nanapaka tamin’ireo mpivarotra avokoa ny fandaminana noraisina rehetra.
Vonjimaika ihany ireo trano eva napetraka ireo mba hahafahan’ny mpivarotra manohy ny asa fivelomany amin’ity faran’ny herinandro ity, fa hisy ny tranoheva vaovao lehibe kokoa araka ny filan’ireo mpivarotra izay hiarahana amin’ny orinasa STAR ihany. Tonga nanatrika ny fandaminana ny fametrahana azy ireo teny antoerana, ny lehiben’ny faritra Analamanga Randriambololona Mananjara, ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany Randrianasoloarimina Tiana, ireo lehiben’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano ary ireo ben’ny tananan’ny kaominina Ambohimangakely sy Alasora.