sam.

07

mai

2011

Tsy ho foin’ny vehivavy: Mahaiza mikitika

Manao izay hahatonga ny an’ny vehivavy, izay no mety ho tanjona apetraka amina

firaisana ara-nofo. Mety ho ao anatin’ny mason-tsivana apetraky ny vehivavy ihany koa izay eo amin’ny fitiavana. Samy manana ny fomba ankafizany ihany koa anefa ny vehivavy tsirairay, saingy ireto misy fomba vitsivitsy mety hanampy hanatraran iry tanjona ambony iry, dia ny hahasambatra ny vehivavy anatin’ny firaisana ara-nofo...

Ny “préliminaires”

Raha misy ireo zavatra mampimenomenona ny ankamaroan’ny vehivavy

mikasika ny firaisana ara-nofo dia ny tsy fanajan’ny lehilahy ny “préliminaires”, izany hoe avy hatrany dia vavany fa tsy misy alaharo. Ireto ny

torohevitra momba ny “préliminaires”. Eo aloha ny hotra, izay atao faran’izay malefaka. Somary atao taraikiraiky kely eo amin’ny hatoka, eo ambanin’ny

valahana sy ny soroka. Eo koa ny fiarahana mandro,na ilay lehilahy mihitsy no

mampandro ny vehivavy. Ny oroka tsy resahana intsony, izay fantatry ny maro amin’ny hoe tsôda. Mbola voasokajy ho anisan’ny “préliminaires” ihany koa ny fikitihina ny bokotra kelin’ny taovampananahany. Ny faratampony dia ny “cunnilingus”, na ilay fileladelahana isan-karazany amin’ny faritra an-kasarotany

any. Raha hainao ny mampaharitra faran’izay ela ny “préliminaires”,

ka andrasanao ho izy mihitsy no miantso anao hoe “avia” dia efa azonao

antoka izay ny loka.

Ny “acte”

Na izany aza, ampiandraso kely ihany aloha izy. Aza tonga dia miditra avy hatrany fa ajanony eo am-baravarana aloha ny fitaovana. Miandry segaondra

vitsy hahamando azy tsara. Rehefa tafiditra indray koa dia ovaovay amin’izay

ny fihetsika, ampifandimbiasina ny lalina sy ny marivo. Tanjona ny hikasihana ny “clitoris”, izay lakilen’ny “orgasme” eo amin’ny vehivavy. Mora fantatra amin’ny fihetsiny ny vehivavy rehefa akaiky hahatonga,mety hivoaka ho azy

amin’izao ny sentosento sy ny hiaka malefaka. Hararaoty ny hafanana amin’iny fotoana iny hahazoana miaina izany miaraka aminy. Torohevitra ihany ireo

natolotra ireo, saingy averina hatrany fa samy manana ny toe-batany ny olombelona tsirairay. Ny tsara sy irariana dia ny hahaizan’ny tsirairay

mihaino sy mamantatra ny tiana sy ny ankafizin’ny vadiny ahazoan’izy roa miara-migoka ny mamy amin’ny fanambadiany. Koa herezo !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra