sam.

07

mai

2011

Tenenina foana fa eee !

Rehefa nifanjihitra nandritra ny fotoana marobe teo ny mpitonona ho mpitondra sy ny sendikalista ho mpikatsaka ny zony dia tsy nahita hirika mihitsy ho amin’ny famahana ny olana eny amin’ny Anjerimanontolo. Dia voatery nanambatra ny heriny ireny olona ireny. Nampiasa izay mba eritreriny ho famahany ny olany. Nampiasa firaisan-kina, tsy menatra, ary te-hikatsaka tokoa ny ho aviny. Voarirarira sy nampitahorina indray anefa izy ireo satria hery ara-miaramila nirongo ny fitaovana mahery vaika no nampikatso ny fanehoan-kery nataon’ireny olona ireny, izay efa niverimberina matetika saingy tsy misy nandray izany ho zavadehibe. Nifanilaka ny minisitra tompn’antoka amin’ity raharaha ity ary nifanjevoana sy nanaovana habobo tsy nisy farany. Teo aloha kely teo aza dia ny mpitarika ny tetezamita Avo izay milafika ao Ambohitsorohitra ao mihitsy no nifindra an-tsokina teny amin’ny kianjan’ireny olona ireny, hitondra ny ranobe ho famonoana ny afo. Fa tsy nahomby e ! Tsy trano hatoritoriana sy hipetrahana no vaha-olana takianay, hoy ireny olona ireny, fa fanondroana mazava ny daty hanombohan’ny fianarana. Taom-pianarana efa tokony hifarana anie ny 2010-2011 rey olona e ! Fa izao amin’ny volana Mey izao vao hosokafana. Ny bakalorea aza efa amin’ny volana aogositra no tokony hanatanterahana azy, ary dia mazava be fa tratran’ny zandriny ny zokiny e !

Tsy nanaiky ary ireny olona ireny fa nohidiny sy nakatony ny birao mpandray ny fisoratana anaran’ireo vao hiditra hiditra hianatra. Nifanentana izy rehetra fa tsy maintsy misy ny fanondroana daty ho fiantombohan’ny fampianarana, ary farafaharatsiny dia tokony ho alohan’ny faha-16-n’ny volana mey no hanatanterahina izany. Nikoropaka ny andiana minisitra, ny mpitondra iray manontolo e ! Lasa raharaham-pirenena ny fampidirana hianatra an’ireny olona ireny. Ary ny nahagaga dia hay azo novahana ihany ny miolana rehetra rehefa noteren’ireny olona ireny tamin’ny fombany ny tompon’andraikitra. Niverina ny fandraisana ny fisoratan’anarana ary dia nampanantena ny tompon’andraikitra fa tsy hisy ny taona maty (fa tsy fotsy) amin’ity taom-pianarana ity fa hohajaina ny baikon’ireny olona ireny . Tsara izany ! Hianatra ihany ny mpianatra, na dia tsy dia misy lanjany intsony aza na ohatra ny ahoana na ohatry ny inona ny lanjan’ny fampianarana hampitaina, fa rehefa mianatra aloha dia izay. Tsy mikely soroka hamonjy sekoly e ! Iny daty natolotr’ireny olona ireny iny izany no tsy hitan’ny tompon’andraikitra hatramin’izay ? Raha tsy terena sy hanaovana hetsika koa dia tsy hanam-baha-olana matomatotra kokoa ? Ny fihetsehan’ny mpianatra dia naharava ny répoblika voalohany raha ny tantara, ka ho fisorohana ny fiverenan’ny tantara fotsiny ve no nahamaika ka manaovana indray ny tefy maika mba hampivaha ny olana ? Raha ny marina anie izany dia tokony ho ireny olona ireny no hitsambikina avy hatrany hitantana ny firenena e! Iza koa moa no hahasakana azy amin’izany ? Izy ireny tsinona no nahita ny tetika mahomby (na amin’ny ampahany ihany aza)ny fitsaboana ny aretiny. Fa mbola samy eto ihany isika mianakavy, ary hahita ny ho tohin’ny tantara sy ny ho fihetsika rehetra manaraka amin’izao taom-pianarana vaovao izao. Mbola ho eto isika hijery indray ny fihetsik’ireny olona ireny ho amin’ny fitakiany manaraka. Iza no nahazo ka tsy mbola te-hanampy izay efa azony ? Moa tsy ny mpanao politika no tena mampianatra an’izany eto ? Sady mampianatra (politika Gasy) izy no mikaroka lalana ambanin’ny tany hanapempoana an’ireny olona ireny amin’ny fanadontoana sy ny «mandeha ho azy». Hianatra dia ho aizzzz’eee? Mikarenjy sy mitaizzzz’ e!

Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra