sam.

07

mai

2011

Lany andro mamono afo ny FAT

Tsy nisy tanteraka izay nihogahoga teny an-kianja nandritra ny hetsika ho fanonganana ny mpitondra teo aloha. Mbola ny famonoana afo eto an-toerana sy any ivelany no mafotaka hatramin’izao. Raha niainga tamin’ny 21 ny volana Martsa

2009 ingahy Andry Rajoelina nitondra ny tetezamita, dia nofaritan’ny HCC tamin’izany,fa mandritra ny 15 volana ny faharetan’io tetezamita io. Nanomboka nipoitra ihany koa ny datim-pifidianana maro samihafa, ary nisy ny karazam-pivoriana toy ny fihaonambem-paritra, sy ny fihaonambem-pirenena natao nandritra izay roa taona izay. Tsy nisy tanteraka anefa ireny,na dia nandaniam-bola betsaka aza.

Ny fifanarahana tanyMaputo sy addis Abeba anefa no saika hamaha ny krizy teto,saingy voatsipaka am-bava fo izany rehefa tonga teto Madagasikara ny FAT. Mitohy ny korontana, ka nirehitra ny afo manerana ny tanàna.

Nisambotra ary nampiditra karazan’olona tany am-ponja ny FAT saingy mbola io mitohy etsy amin’ny Magro Behoririka io ny tolona. Nomena seza mba hamonoana ny afo teto an-toerana sy tany ivelany ireo TIM noana, saingy ny teo ihany no teo. Nitohy ny famadihana palitao avy aty amin’ny mpanohitra fa io hiarahana mahita io ny mbola tsy fankatoavana iraisam-pirenena. Ny hetsika toy ny an’ny mpianatra sy hafa mbola raharaha hafa mila vonoina, satria mety pitik’afo hampirehitra ny afo. Inona no hitranga aorian’ny 20 mey ?  Hifantohan’ny sain’ny maro hatramin’izao ny ho endriky ny fankatovana iraisam-pirenena aorian’ny dinika ataon’ny firenena mivondrona ao amin’ny SADC ny 20 mey ho avy izao. Efa maro ny iraka nalefan’ny fitondrana ankehitriny,handresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena,indrindra fa ambara efa nisy ny fanaovan-tsonia momba ny “feuille de route” natao teny

Ivato hitondrana ny tetezamita sy hivoahana amin’izao krizy izao. Miara-miaiky ny rehetra, fa ny fifidianana no lalana tokana hivoahana amin’izao krizy izao, saingy be no tsy mahatoky izany noho ny maha-fitaovana iray ambaran’ny mpitazana fa eo ampelan-tanan’ny FAT ny CENI ? Raha mbola lavin’ny SADC indray ary ilay tolo-dalan’ny Simao farany teo iny, ary mitaky ny hananganana ny tetezamita tena izy ny sehatra iraisam-pirenena ity, inona no hataon’ny FAT ? Hanaiky izay tolon-kevitra hivoaka any ivelany amin’izay, sa hikiry hanilika amin’izay ny SADC ? Hatreto, dia tsy nisy zava-bita izay nanaovana angoan-tenda teny an-kianja ny mpitondra ankehitriny, satria variana mamono afo etsy sy eroa, ka ilay tena fahoriam-bahoaka ilàna fanavotana haingana

no zary hadino. Mahafaly ny mpanohitra ve izany ?

Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra