Azo hiteleman-kozatra ny fanazavana nataon’ny Jeneraly Ravalomanana teo anatrehan’ny mpampahalala vaovao : Nampiesona fotsiny ireo mpanamory, fa tsy nisy ny « fiketrehana » hamono ny filoham-panjakana. Ry zalahy ireto anefa dia teo am-piaingana dia efa nilaza fa misy zavatra tsy matiny lolo tao anaty rôpilanina… Dia nisy mihitsy ny fanambarana niainga avy eny Ambohitsorohitra fa nisy « nigafy » sy nitetika ny hanisy ratsy ny « filoha mamim-bahoaka ». Nigogogogo sy latsa-dranomaso ny mpankafy, fa nahoana kosa ny maherinay no atao izany ? Niraraka toy ny havandra ny firarian-tsoa isan-karazany avy eo fa arahabaina tsy maty fo aman’aina e !...
Lozan’izay niavian’ny fanafintohinana sy ny « endrikendrika » tsy marina toy izany e ! Hay tokoa ka mihidy sy amin’ny toerana voaaro tsara no nihantsona ity fiara te- hisidina ambony ity, ary olana ara-teknika mpahazo ny milina ihany no fototry ny olana. Tahaka ireny Taxi lany lasantsy, na vaky roulement eny an-dalana ireny e ! Hifandrombonan-dry « Body guard » bataina ny fiara raha mibahana azy, satria handalo ny laibany.
Fampahalalam-baovao
Haingana be ny fielin’ny vaovao tamin’iny raharaha iny. Nisy moa dia tsy nahita tory sy nandraiky narary mihitsy fa sao hitodika any aminy indray ny mety ho fisamborana noho ny zava-niseho satria ain’ny « lehibe » no saika nafoy. Tena nihorohoro ihany koa ny mpanao politika sasany satria mpanao politika ratsy saina sy tsy faly amin’ny hafa mpifaninana aminy no tsy maintsy ho faizina. Dia inona no andraikitra horaisina amin’ny fomba nanaparitahana ny vaovao toy ireny ? Dia any amin’ireo mpanamory izany izao no tokony ho feta ? Voamarina mantsy fa nisy olona telo samihafa nifandray tamin’izy ireo an-telefaona, talohan’ny niaingan-dry zareo. Dia iza indray ireo olona telo ireo ? Inona no andraikiny ? Manao ahoana ny fihavanany amin’ireto mpanamory ireto ? Nanamarika ny jeneraly Ravalomanana, fa azo enjehina ho nanaparitaka vaovao tsy marina ireto mpanamory Amerikana roalahy ireto. Loza izany ! Satria ve nandritra ny famoriana mpampahalala vaovao no nanaovany ny fanambarana ? Sa nitety radio sy gazety izy ireo ? Izy ireo no nanao ny tatitra an-tsoratra, na am-bava tamin’ny mpikirakira ny sera any anaty lapa any ? Moa tsy azo natao ho tsiambaratelo ny fanadihadiana azy ireo, dia ny vokatry ny fanadihadiana no notaterina tamin’ny haino aman-jery sy ny gazety ?
Aok’izay
Bedy sy voakiana hatrany ny mpanao gazety mipetsompetsona sy tsy manadihady ny fototry ny vaovao omeny rehefa misy trangan-javatra iray, ary io no tena hitolomana mafy ho an’ilay « fahafahana », na dia ho sadasada ihany aza. Fa rehefa ny mpanao politika sy ny tompom-pahefana no milaza izay tiany holazaina dia atao ahoana ? Holazaina sa mbola hotsirihina ny fototry ny « habobo » lazainy ? Aoka izay ny fifanilahana eo amin’izay vaovao iniana aely fa manjary hifanaikitra eto no hiafarany. Aza hamelana raha tena misy ny tompon’antoka amin’ny seho manahirana fa tsy vitan’ny fifanafosafoana fotsiny. Anisan’ny fitakiana ho an’ny fanovana anie izany e ! Sa aoka izao sao miady amin’ny Amerikana eo indray ? Ny Amerikana anie donto sy tsy maintsy mbola hampianarintsika raha resaka sera sy fifandraisana , na koa zon’olombelona e ! Mahay ny Gasy sady tsy mety diso.
Tokony ho maty tany iny ilaminan'ny Malagasy.Teo koa anie tsy nisy ny hamono azy fa izy no manao sarimihetsika lava izao ary tsy maintsy ho tonga amin'ireo ny iriny e
