ven.
06
mai
2011
Ahitan-javatra fatratra loatra eto amin’ity tany fandalovana ity. Nisy artista amerikanina indray koa izao voalaza fa nanamboatra fromazy tamin’ny nonon’olombelona ! Hafa raha samy artista i Miriam Simun. Nanapa-kevitra ity vehivavy ity fa hanamboatra fromazy amin’ny alalan’ny nonon-dreny ary hanao fampirantiana mahakasika izany. Azony an-tsaina soa aman-tsara fa hiteraka resa-be maneran-tany ity fanapahan-kevitra noraisiny ity, saingy nanazava mihitsy izy fa faniriany sy hetahetany hatramin’ny ela ny hamokatra zavatra hafakely, tsy mbola misy manana. Efa nahita vehivavy telo vonona hanome ny nonony maimaim-poana izy hatramin’ny niketrehany io tetikasa io. Marihina kosa anefa fa mandalo fikarakarana aloha ny rononon’olombelona mialoha ny hamolavolana azy ho fromazy.
Mety mahasalama izany fika iray izany ary mety ho lafo vidy,satria ny nonon'ny Reny ihany no tena mahavelona...
