ven.
06
mai
2011
Hafa ny fiainana any anaty rano, saingy misy hitovizana amin'ny ety an-tany ny fiainana any. Io no nambaran'i Noelah, rehefa avy nivoaka ny rano, tany akaikin'ny Nosy varika izy ny ny talata hariva lasateo. Naka hery, ary hitsabo olona no tanjona, ary hanampy betsaka ny mpiara-belona tratry ny ankasomparana no ataoko, hoy izy raha nitafa tamin'ireo olona maro niandry azy teo amoron-drano ny talata hariva teo. Olona mahatratra 99 no hotsaboiko ao anatin'ny iray volana, ary hitombo io ao anatin'ny volana manaraka, ka hahatratra an'arivony izany amin'ity taona ity. Tsy mifidy aretina, na olana ho vahana izy araka ny teny nolazainy. Hafatra nampitain'ny zazavavin-drano izay naka azy tany anaty rano nandritra ny telo andro io. Ny fifankatiavana eo amin'ny samy Malagasy, sy ny fahaizana mandefitra kosa no voalaza fa hahatafavoaka an'i Madagasikara amin'ny fahantrana sy hialàna amin'ny korontana politika.
Ireo sakafo nohaniny
Trondro manta sy tantely ny sakafo nohaniko tany anaty rano, ary reraka ihany aho, satria tsy nisy andro natoriana tany. Toa tsy tsaroako ho toy ny telo andro kosa anefa no niainako tao hoy i Noelah, satria toa vetivety ihany, saingy rehefa tonga tety ambonin'ny tany aho vao tsaroako fa efa ela no tao. Manana mpanjaka ry zareo, ary manana olona toy ny hoe Praiministra. Misy zazalahindrano hitako tany, ary manana fitiavana toy ny olombelona rehetra izy. Mifanaja ireo karazana zazavavindrano hitako, ary nahazo hery betsaka aho. Tsy afaka ambarako eto daholo ny fifanarahanay tany anaty rano, saingy tsy misy sorona takalony kosa, fa ny fanajana ny tsiambaratelonay no zava-dehibe satria mety hivadika ho moana aho raha milaza ny hafatra rehetra nampitaina tamiko. In-telo tamin'ity no nisy tranga toy izao tamin'ny fiainan'ity vehivavy mpitsabo ity, ary ny fikarohana entana very toy ny fiara na moto, na mampody vady nisintaka sy ny fikasana hanana taranaka no nampalaza azy hatramin'izay, ary manampy betsaka ho an'ireo manam-paniriana hahazo vady vazaha na gasy ihany koa izy. Tsy mamosavy na mandatsa-baratra kosa, na manao sorona zavatra hafa. Maro ireo nangataka hanaovana izany tao aminy, saingy nolaviny, satria tsy hamotika fiainan'olona, fa hamaha olana. Izay liana tamin'ity diany tany anaty rano ity, dia ny 0346132862 no ahazoana mitafa aminy.