ven.

06

mai

2011

Fanabeazam-pirenena: Tsy nanaiky atao sesitany ny mpampianatra

Zary fomba mahazo vahana eto Madagasikara ity fahasahiana mandà ny sonia natao ity, hany ka tsy azo itokisana intsony ny fifanekena na fifanarahana atao sonia. Fototra iray nampikorontana ny eo anivon’ny fanabeazam-pirenena io amin’izao fotoana izao. Efa nanaiky nanome asa ireo mpampianatra ny fitondrana tetezamita, tamin’ny andron’ny minisitra teo aloha. Maro ny olona nahazo asa tamin’io ka anisan’izany ireo voatendry mampianatra any amin’ny faritra. Nifanekena tamin’ny alalan’ny sonia ny fepetra rehetra tao. Nanaiky ireo mpampianatra nanao sonia fa tsy mahazo mangataka famindran-toerana mandritra ny 6 taona, amin’izay toerana nekeny sy nosoniaviny. Raha vao niova anefa ny minisitra dia ranolava ny fangatahana hiala any amin’ny toerana misy azy. Marihana fa nanaparitahana azy ireny hatrany Midongy atsimo, kandreho, sy izay toerana heverina ho lavi-dalana rehetra, ka indrindra fa tsy manana mpampianatra. Ny fandraisana ireny fangatahana hifindra toerana aty an-drenivohitra ireny no voalohan’asan’ny minisitra vaovao. Saika tsy fahasalamana no fialàna olana. Bobaka ny “certificat médicale”...

Fepetra tsy nampoizina no noraisin’ny minisitra ary araka ny nambaran’ireo mpampianatra voakasiky ny resaka dia miafara amin’ny fandroahana azy ireo ny fangatahany.

Tsy mahagaga fa ny tontolon’ny fampianarana anie no fitaovana mavesatra indrindra ho an’ny teti-bolam-panjakana e? Io koa no fitaovana raitra indrindra entina hampandriana adrisa ny ambanilanitra. Miova ny mpitondra dia miova koa ny rafitra. 5 taona, dia avadika 7 taona, avy eo averina 5 taona (ambaratonga voalohany io). Ankehitriny dia izay te hampiana-janaka no miantoka ny karaman’ny mpampianatra. Misy hafa amin’ny sekoly tsy miankina ve? Samy andoavam-bola be ihany. Ny vokatra anefa dia kitoatoa hatrany, indrindra ao anatin’izao krizy politika izao. Fanenjehana isan’ny afa-panadinana no betsaka. Io izao ny eny Ankatso fa lasibatra noho ny krizy politika ihany. Mitohy ny fahapotehana fa tsy misy fivoarana. Iza no tsy nahatsapa fa miha osa ny fahaizan’ny tanora Malagasy? Natao vazaha dia avy eo natao gasy, dia nifangaro gasigasy sy vazahazaha, dia teo no noraisina.

HERY A

 

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra