ven.
06
mai
2011
Manomboka averimberin’ny fitondrana avon’ny tetezamita eo amin’ny sehatra hiadiany hevitra indray ny mikasika ny dingana vitany nandritra ny fanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010. Mety efa azon’ny mpitarika any an-tsainy any ve fa ho raharaha sarotra ny hanjo ilay « ravin-taratasy » vao nananganany ny fitondrana farany teo ? Mitsapatsapa sy misabaka amin-javatra tsy hita fototra ny mpitondra : bolokilahy homam-boatseva, ka mamy sy ankafizina ny « rangotr’akoho » teny Ivato, ary sarotra ihany koa ny mamoy ny « aferan-daomy ».
Fehin-kevitra mafonja misy pejy roapolo, sy andinin-dresaka 77 no navoakan’ny firaisa-monina sivily CNOSC farany, tamin’ny 19 aprily 2011 teo. Resahany ao ny mikasika indrindra ny fomba azo ampiasana na tsia ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosain’ny fahefana avon’ny tetezamita. Tena raharaham-pirenena ny fitsapan-kevi-bahoaka, ary tokony hanana ny fototra ho fanorenana ny Repoblika ny fisainana nanaovana azy. Maninona tsara ?
Ratsy fanomanana
Tsy nisy, ary tsy voaantoka tamin’ny fomba tomombana ny fanomanana ny fitsapan-kevi-bahoaka, hoy ny fehin-kevitry ny CNOSC, ary hanamafisany izany ny tatitry ny firaisa-monina sivily mitovy aminy toy ny KMF/CNOE izay nilaza ihany koa fa iny latsa-bato tamin’ny 17 novambra 2010 iny no ratsy karakara indrindra tato anatin’ny 20 taona izay. Ilay minisitry ny fahefana avo niadidy ny ati-tany Jean, dia efa nanamafy ihany koa fa tsy nahefa izay tokony hataony ilay vaomiera mahaleotena nikarakara ny fifidianana. Ny mpitantana ny fahefana avon’ny tetezamita anefa ankehitriny dia mitondra indray ity fitsapan-kevi-bahoaka ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanamarinany ny maha-ara-dalàna ny fitantanana an’i Madagasikara mandra-pahatongan’ilay fahafenoan’ny andrim-panjakan’ny Repoblika Fahehatra. Io hevitra io no hilofosan’ny praiminisitry ny fahefana avo izay nanira-tena ho any amin’ireto firenena eo anivon’ny SADC. Dia amin’ny fomba ahoana no haneken’ny sehatra iraisam-pirenena iny fitsapan-kevi-bahoaka iny kanefa ny mpitondra aza toa tsy sahy nampihatra azy ho tamin’ny tokony ho izay akory ?
Azo hampiasaina ve ?
Te-hilaza ny CNOSC amin’ity tatitra nataony ity fa te-hampiasa ny « fitaovana ratsy » toy iny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka iny, ny mpitondra ankehitriny, mba ho famahany ny olan’ny politika Malagasy. Izany indrindra no hanamafisany amin’ity fehin-kevitra ity fa tsy mbola mahavaha ny olana eto amintsika ny fisisihana ny hampiasana ny zavatra tsy nifanarahana sy tsy azo tamin’ny fomba sy eritreritra ho tena fanorenana ny fanjakana repoblikana. Tondroin’ny CNOSC ho mbola ilay hevitra mandeha tsoa-tokana hatrany no nandrafetana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika Faha-IV, koa sarotra ny inoana araka ity fehin-kevitr’izy ireo ity ihany, ny hampiasana ny lalàmpanorenana. Dia manazava sy manamarina izany ny mbola nilofosan’ny mpanao politika nanao fifanarahana hafa indray mba hananganana ny governemanta vaovao hafa, izay notondroina ho governemanta iraisana. Koa iza àry no afaka hanamarina fa ilay fahefana avon’ny tetezamita tondroin’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-166, no ambaran’ilay taratasy vita rango-pohy fa manana ny fahefana hanitatra ny andrim-pitondrana roa ? Hanangana ny komitin’ny fampihavanana, sy hanao ny lalàna ho amin’ny famotsoran-keloka hanamboatra ny CENI, ary ilay filan-kevitra ambonin’ny fifidianana ?