mer.
04
mai
2011
Efa ela no nolazoin’ny aretina sy novesarin’ny taona nifandimby iny olona iny, fa tonga t koa ny fotoana ary dia nitsahatra noho izany koa ny hazakazany. Namela kamboty marobe teo amin’ity asa fanaovan-gazety ity iny olona iny. Ity no fiainany, ity no naha-izy azy, ity ihany koa no nandaniany ny mondro-kery hatrizay hatrizay, ka nahavery anarana azy tsy fidiny. Iza moa no tsy nahatsiaro ilay firehetan’ny tranony teny ambonin’i Mahamasina ilay indray taona irý ? Nisahotakotaka teo ny mpiara-monina, ary ny feo niampitapita no heno nanakoako fa may ny tranon’i Basy Vava. Lasa iny olona iny, ary lasa tsy hiverina intsony...
Dia tsaroana ny fomba namoronany itony Gazety itony tany amin’ny 45 taona tany aloha tany. Nahitsy fanoratra, tsy nitsitsy teny, ary nisedra olana maro samihafa. Nisy fotoana dia iny olona iny mihitsy no nirotsaka an-tsehatra nizara ny gazety tetsy sy teroa, ho an’ireo rehetra nila an’izany. Nentiny am-pinoana sy am-pitiavana ny fandrafetana ny gazety ka raha nisy ny vola nampihodinana azy dia niseho teny hatrany izy ity, nisy koa anefa ny fotoana mahamay sy tena mangidy ka tsy hita popoka (ny) i Basy vava.
Navoivoin’ny politika iny olona iny nandritra ny fotoana maro nanaovany ny asan-gazety. Saika nampiasa azy daholo rehefa te-hahita tombony amin’itony asa itony, ary nanararaotra an’iny olona iny tamin’ny alalan’ny vola sy ny tambitamby. Indraindray koa anefa dia nanamparana ny kapoka mahery vaika iny olona iny rehefa nandà ny toro-marika nasaina ho tsy maintsy tanterahiny, tsy nanaiky ny ho tambazana amin’izay notakiana taminy. Izany no herin’iny olona iny, izany no tanjany. Misy no nilaza fa naman’ny rehetra iny olona iny, kanefa nisy maro koa andanin’izany no nipetsopetsona fa izay vavan’i Basy Vava ve ho inoana ? Moa tsy tadidin’ny maro amintsika ny fifaninana masina tamin’ireo gazety nivoaka tamin’izany fotoana ? Nahamay sy tsy laitra niainana ny henjikenjika ara-politika teo amin’ny fivoahan’ny gazety ka nisy mihitsy ny fotoana aza, efa teny amin’ireny kiôska ireny ny gazety Basy Vava no noraofina indray fa tsy nahazo alalana hivoaka. Izany no sivana ! izany no geja nahazo azy. Tato aoriana dia nolazaina fa foana ny sivana nanomboka tany amin’ny taona 91 tany, kanefa noenjehina mafy iny olona iny raha nampihodina ny Radio Tsioka Vao nandritra ny fotoana tena nampifanolana ny mpomba ny Deba teo amin’ny fitondrana tamin’izany, sy ilay tolona notarihin-dRamose ho fiarovana ny safidim-bahoka. May sy levon’ny afo no niafaran’ilay Radio, ary dindona tsy afaka an-tsain’iny olona iny ny tantarany izay navadibadiky ny tolona sy ny firehana politika teto amin’ny firenentsika.
Fa mbola eto ny Basy Vava, fa iny olona iny no lasa nialoha lalana toy izay andrasan’ny velon’aina rehetra. Misaona isika, kanefa tsy hitanondrika satria ny naha-basy vava ny Basy Vava dia iny olona iny. Tsy matimaty foana tsy akory ny anatra sy ny lesona marobe avy tamin’iny olona iny, fa misy ny hanohy hatrany ny asany. Maty namela mamy, maty tsy ho levona ny Basy Vava satria ny mpamorona sy ilay nikely aina tamin’ny famoronana azy no tapitra ny hazakazany, fa ny mpamaky, ny mpanao politika, ny olompirenena isanisany dia efa mahatsapa fa marary sy tsy ampy ny maha-izy azy raha tsy eo ny Basy Vava. Mandria am-piadanana r’iny olona iny fa velona hatrany eo amin’ny asa fanaovan-gazety ny anaranao.
Dadan’i Ranto
Toutes nos condoléances à la famille.
Dada Gaby, vous nous manquez.
