mar.
03
mai
2011
Vola ô ! Hatraiza moa no fetran’ny herinao, ny tanjakao ? Ny olana rehetra manaiky anao ..manompo anao…andevonao ! Izay rehetra mijery ny resa-bola ho vaha-olan’ny fiainany dia samy hiaiky fa feno sy ampy ny filazan-dRatsimbazafy ny momba ity vola ity. Misy resa-bola daholo izao rehetra izao. Na fahoriana sy fahafatesana, na fifaliana hombam-piravoravoana, na sakafo isan’andro sy fianarana, na fiangonana sy fivavahana …na politika sy fitondram-panjakana. Manangona sonia hanongana an-dRanona ,hono, ry Ranona, na koa hoe mitokona ry Ranona satria tsy ampy ny vola nampanantenaina azy. Miandry ny vola any amin’ny fanjakana, hono, ny CENI, dia hiroso amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Nomen-dRanona vola be, hono Ranona dia io izy misolelaka sy mandohalika aminy io.
Nangalatra tao am-piangonana, hono, ny diakona mpanaty rakitra ny alahady teo satria mamely mafy ny olana ara-bola any an-tokatranony. Noviravirain’ny mpanao afera volabe ny mpitsara teny amin’ny fitsarana dia afaka madiodio izy. Vitan’ny mpanao politika sasany ny misongona am-pitaka ny namany rehefa tojo vola ny ankamaroany .Andao isika hanao fififdianana amin’izay fa any izao no tena misy vola. Hozaraina fotsiny sy tsy hisy fanontaniana izay antonantony nandaniana azy ny vola rehefa fifidianana e ! Mitosatosaka ny halatra solika ao amin’ny ministera ao dia avadika vola. Hanera amin’ny fanaovana Tshirt sy kasikety dia mahazo tombony avo sasaka. Ahodikodina ny vary sy ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainany an-davanandro dia efa vola izany e ! Hampiasaina ny fiangonana sy ny volany ho amin’ny fampandresena ny mpivavaka ao aminy. Aleo samy hifidy izay tiany sy izay mahatolotolotra azy ny olom-pirenena. Izay mizara « vola » no aleo ho ankafiziny. Tsy misy manontany izay antony na madio na maloto ny fiaviany. Ny vola tsy misy fofona ary mahajamba. Ny vola no maharava fanjakana e !
Tadidio fa natao daholo izay tetika mba hakana ny fon’ny vahoaka: Afomanga, lapan’ny tanàna, kianja filalaovam-baolina, kianja goavana fanaovana fampisehoana etsy Analamahitsy, hopitaly manara-penitra, vary mora, siramamy mora, trano mora, na ny làlana nohalebiazina. Hitsangana hatramin’ny maty angamba fa mitongizina sy mikatso ireto mpianatra amin’ny ambaratonga ambony eny amin’ny Anjerimanontolo satria tsy nhita izay ametrahany ny tongony nandritra ny ny taom-pianarana 2010 – 2011. Tsy nomena ny teti-bola tokony hampandehanana ny taompianarana. Na stylo iray aza tsy azo, manginy fotsiny ny karama sy tambi-karama ho an’ireo mpampianatra mpikaroka izay nogiazana, rehefa nikomy izy ireo dia notondroina avy hatrany ho tsy tia tanindrazana sy mamono taranaka. Tia vola, te- hiondam-bola! Tsy tokony najanona ve ireny fety sy rendrarendra ireny ? Sa tsy vola no lany tamin’ireny? Hay tokoa moa misy malala-tanana afaka manampy tsy mila tambiny? Raopilanina iray manontolo aza foiny ho ampiasain’ny tia tanindrazana mpitady ny vaha-olan’ny firenena Vola manao ahoana no lany tamin’ny nanaovana fihaonambem-pirenena nisesisesy hiresahana ny tombotsoan’ny mpanao politika fotsiny, kanefa tsy nampiasaina indray izay vita tamin’ireny fa “ravin-taratasy“ ity no hitondrana ny firenena. Ary jereo ireto mpanao politika midehadehaka sy matavy mihoatra ny mety, na sivily na miaramila, tsy mitehin-tany noho ny voninahitra sy tombotsoa mihoampapana eo ampelatanany. Izao ilay “mandatsa vahoaka” raha “manjakavahoaka” no nampanantenaina ho tanjona!
Anontanio ireo mpandraharaha, ireo mampiasa tena, ireo mpiasam- panjakana, ireo mpitsabo, ary indrindra ireo tantsaha izay efa mba nanana farim-piainana avoavo kokoa (na dia mahantra aza) roa taona lasa izay, hanontanio ireo rehetra ireo aiza ho aiza ny fianany ankehitriny? Ireo no asaina hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana mangarahara? Managarahara ahoana? Olompirenena izy no manana saina milamina tsara amin’izao ka ho afaka handanjalanja ny ho vokatry ny safidiny? Nandritra 25 volana izao isika dia nanaiky, nino fa aleo very tsikalakalam-pieritreretana sy tsikalakalam-pihavanana ,toy izay ho very tombotsoa sy vola. Moa tsy vola no mampangina ny manam-pahaizana? Ny tandroka aron’ny vozona? Ny mpiasam-panjakana? Ny mpandraharaha? Ny mpihary madinika isam-baravarana, ny mpitrongy vao homana, ny mpitarika na koa mpitondra fivavahana? Ny tantsaha sy ny mpihary eny ambanivohitra? Ny mpampahalala vaovao sy ny haino aman-jery? Moa foto-kevitra no antom-pisian’ny antoko politika efa ho 300, na koa mahatonga ny fisarahan’izy ireny? Moa fitiavan-tanindrazana sy tombotsoa ambonin’ny firenena tokoa ny hamihinan’ny saka ny hena eny an-tanany?
Ony RAMBELO