mar.
03
mai
2011
Tsy honohono na resabe fa tena azo atao. Afaka iainana tsara mantsy raha ny filazan’ny mpikaroka ny “orgasme” maromaro indray miaraka mandritra ny firaisana ara-nofo iray. Ireto indray ireo torohevitra momba izany.
Izay fahazoana miaina “orgasme” maromaro izay no iavahan’ny vehivavy amin’ny lehilahy. Ny an’ireto farany mantsy dia ny indray mandeha tsy miverina ihany, raha mifanohitra amin’izany ny an’ny vehivavy. Lakile iray mampisokatra ny lalana ho amin’izany ny fahafantarana ireo faritra rehetra manaitaitra ao amin’ny vatan’ny vehivavy. Ny fahaizana mikitika azy ireny mifanesinesy no lalana iray ahazoan’ny vehivavy miaina azy
Eo ihany koa ny tokony hahafehezan’ny lehilahy ny “éjaculation”. Ka rehefa akaiky ho tonga iny no somary hajanona kely, hanidian’ny vehivavy ny feny. Mety ho amin’iny ny “orgasme” voalohany. Mielanelana 20 ka hatramin’ny 60 segaondra eo ny “orgasme” anankiroa. Ankoatra ireo dia ahatongavana amin’izany ihany koa ny fampihatoana ny fiarahana eny anelanelany eny. Safosafo sy oroka no ampifandimbiasana mandritra ny fiatoana. Ovaovaina hifanaraka amin’izay ihany koa ny fiarahana, atao mifandimby ny lalina sy ny marivo.Ny hozatra ao amin’ny taovam-pananahana no tena mandray anjara betsaka amin’ny fahazoana miaina ity “orgasme” maromaro ity. Manampy amin’izany ny fanaovana “exercice” matetika, hampihenjanana azy. Tsy inona io fa ilay fampiatoana segaondra vitsy rehefa mivalan-drano.