mar.
03
mai
2011
Isan'ny olana goavana mianjady amin'ny fampianarana eny amin'ny Oniveriste, saika isan-taona lava izao, ny fitokonana sesilany. Saika resaka sosialy hatrany anefa no takiana amin'izany. Tsy fahita firy ny tranga tamin'ity indray mitoraka ity, mitokona mba hianatra ny mpianatra ho mpitsabo. Miantso ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hamaha haingana ny olana mahatonga ny tsy fanombohan'ny fampianarana. Hatreto aloha toa angady tsy mahatapaka ahitra manoloana ny fangatahan'ny sendikan'ny mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka (Seces) tsy hampianatra izy ireo. Efa nanomboka ny 22 Aprily ny hetsika nataon-dRadoko, ary nitohy hatramin'ny omaly.
Raha hiverenana ny hetsika ny faran'ny herinandro teo dia nanao "sit-in" teo amin'ny arabe fidirana an'Ankatso ireto mpianatra ho dokotera ireto no noravan'ny Emmo-reg. Tezitra tamin'izany ny mpianatra koa dia nanisy sakana ny vavahady miditra ny anjery manontolo. Tsy voahaja hoy izy ireo ny faritra tsy azon'ny mpitandro filaminana hidirana na "franchise universitaire", ireto farany kosa miteny fa tsy azo atao ny mibahana ny lalam-bahoaka "voie publique". Manoloana izany anefa mitohy tsy misy tomika ny fampianarana ambony amin'ny sehatra tsy miankina ary ahiana hampisy elanelana lehibe eo amin'izy ireo sy ny fampianarana ambony miankina amin'ny fanjakana ny tsy fanombohan'ny fampianarana toy izao, mba tsy ho dokotera aorian'ny fahafatesana hatrany ny mpitondra fanjakana ka lany andro "mamono afo" fa mba hitsabo ny fototr'aretina mamono ny fampianarana ambony.
Liva