mar.
03
mai
2011
An-taona maro izay no efa nifamalian’ny hafatra ho an’ireo mpifanandrina politika malagasy dia ny ankolafin’ny mpitondra ankehitriny ankilany sy ny ankolafin’ny mpanohitra andaniny. Vao mainka nihamafy izany, ary eny anivon’ny haino aman-jery hatrany sy any an-tokotaniny avy no hivoahan’ireo fifamalian-kafatra ireo.Porofo iray. Nanambara ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita nialoha ny fiaingan’ny delegasiona notarihiny ho atsy Zambia fa misy miketrika fampihaonana azy sy ny filoha teo aloha, kanefa tsy vonona ary tsy misaina izany akory izy raha tsy amin-kitsim-po no hihaonana sy hikatsaham-bahaolana ho an’ny Malagasy.
Tsy niandry ela fa ny sabotsy ihany raha nitafa tamin’ireo mpanohana azy teny amin’ny Magro Behoririka ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc dia niteny an-kolaka fa misy matahotra ny hihaona aminy. Nokianiny an-kolaka ihany koa ilay iraikalahy taloha nivadika palitao fa tsy nentina firy nitety an’i Afrika izay tsy nanan-kavaly raha nanontanian’ireo solontenan’ny firenena afrikanina notsidihany ho isan’ny mbola tanan-kavanan’ny filoha teo aloha sa ny filoha ankehitriny.
Hatreo aloha iny fifamalian-kafatra iny fa ny tantara dia mbola hitohy. Miandry izay valin-kafatra avy any amin’ny anklilany indray izany ny andaniny, fa ny toe-draharaha politika sy ny krizy koa mbola mitohy.
Zaka Fils