lun.

02

mai

2011

Fikaroham-baha-olana tany Zambia: Tsy nahasolo tena ny Gasy mihitsy Rajoelina

Maromaro ny filoha ao anatin’ny SADC no nambara fa handray ny ny filohan’ny tetezamita avo, ary mihevitra izy, araka ny firesany, fa filohan’i Madagasikara ny tenany ary ny filoha toa azy no tsy maintsy mandray azy sy ny delegasiona notarihiny any amin’ireo dia nataony ireo. Tsy zakan’ny hafa velively ny mandray izany fihetsika izany ka maro no mamporisika ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC mba tsy handray ity filohan’ny tetezamita avo ity, araka ny resany tany am-piaingana. 24 ora taorian’io fanambarana io dia inty indray fa niverina ny tenany rehefa avy nihaona sy nanao dinika narahin’asa tamin’ny filoha lefitra Zambiana, sy ny sekretera mpanatanteraky ny COMESA.

Efa miova ankehitriny ny fijerin’ireo firenena rehetra ao anatin’ny SADC ka fantatra ihany ny fironan-kevitr’izy ireo, araka ny fanazavany ihany, teny am-pahatongavana tamin’ny tolakandron’ny sabotsy teo, koa tsy azo eritreretina ny hitsipahin’izy ireo ny tondro zotra izay novolavolainy, ho famahana ny olan’i Madagasikara. Efa any an-tampon’ny fandresena farany izany ny filohan’ny tetezamita avo, raha araka ny fomba fijeriny ny toe-draharaha politika eto amintsika, ka tsy hahasakana velively ny ho firosoana amin’ny fifidianana ny fiandrasana izay hateraky ny any ambadiky ny 20 mey 2011.

 

Mifangaro loatra

Tsy mazava, amin’ny ankapobeny, ny tena dikan’ny hoe : mpitondra fanjakana sy ny hoe : tompom-pahefana, eto amin’ity Madagasikara ity. Raha misolo tena ny Malagasy amin’ireo dinika izay ataony ny filohan’ny tetezamita, dia mazava tokoa fa tsy Malagasy toa azy no iresahany fa vahiny. Tsy hisy fanelanelanana atao intsony amin’izany fa izay lazainy no ifampiraharahany amin’izay filoham-pirenena miresaka aminy. Tsy maintsy noporofoiny izany fa efa nisafidy ny hanaraka ilay drafitra naroso azy tokoa ny Gasy rehetra, ary efa nanaiky izany ny ampahany betsaka amin’ireo Malagasy olompirenena eto. Raha ireo rehetra ireo no marina dia efa mivaha izany ny olana ara-politika nisy teto, ary tsy misy antony hampiakarana ny raharahan’i Madagasikara eo anivon’ny fivoriana an-tampony ihany koa. Efa mazava ihany koa fa filohan’ny Gasy (rehetra) ny mpitarika ny tetezamita ka anjaran’ny filoha toa azy ny manaiky sy mino fa izany tokoa izy. Tsy maintsy narangarangany fa milamina sy voafehiny ny fitakiana politika mitranga eto hatramin’izay, toy ny fitakiana ny famoahana ny gadra politika sy ireo rehetra mbola any an-tsesitany. Tsy maintsy noporofoiny fa tsy misy sakana ho an’ireo rehetra te-hilatsaka ho fidiana sy te handray anjara amin’ny fifidianana. Tsy tokony hilefitra mihitsy ny tenany amin’izay rehetra fepetra ataon’ny sehatra iraisam-pirenena, na amin’ny lafiny ara-politika fotsiny ihany aza. Nanana fahasahiana izy nanambara eo anatrehan’ireo nitafa taminy fa tsy mila miresaka intsony amin’ireo mpanao politika « mpamotika an’i Madagasikara ». Raha nanaiky azy amin’ireo resany ireo ny filoham-pirenena (ilay lefitra), araka ny filazany ihany, dia izy tokoa ilay solontenan’ny Gasy, ary miaro ny tombontsoan’ny Gasy eo amin’ity sehatra iraisam-pirenena ity. Moa tsy tohin’izay maha filohan’ny Gasy azy izay no antony hitsidihan’ny sekretera mpanantanteraky ny Comesa sy/na Sadc antsika sy hanohanany ny fifidianana ?

Toro-marika

Fa izany tokoa ve no zavatra tena mitranga marina ? Mahazo toromarika hatrany Rajoelina any amin’ireo fihaonana ataony mba hampitombo ny fifampidinihina eo amin’ny samy Malagasy, omena hevitra izy mba hanaja ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra, na koa ny zon’olombelona. Mandrisika azy matetika izayrehetra mihaona aminy ao anatin’ny Sadc mba hanohizana ny fifampidinihana eo amin’ireo mpifanandrina ara-politika mialoha ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara. Dia mazava hatrany amin’ireny fihaonana ireny fa dinik’asa ho famolavolana fifanarahana politika no tena antony handraisana ny mpitarika ny tetezamita any. Anisan’izay ohatra ilay dia farany teo izay natao tany Windhoek Namibia, sy ny tao Lusaka Zambia, izay nampiseho miharihary fa mpitarika ny mpomba azy sy miaro ny tombony ara-politika efa ananany no nimasoan-dRajoelina fa tsy ny tombontsoan’ny Gasy velively. Teny an-tseranana nahatongavany dia noraisina ho toy ny delegasiona mitsidika firenena izy. Tsy nisy ilay « lafika mena » fanitsany iny tany. Ary raha nisy ireny pitsopitsony ireny dia efa totoafo ny fanambaràna fa noraisina amin’ny maha-filoham-panjakana azy ny mpitarika ny tetezamita. Moa vahiny amin’ny tati-baovao toy izany ny fiadidiana ny fitantanana ny tetezamita avo ? Koa vao mainka mahazo laka ny fanontaniana any an-tsain’ny rehetra ankehitriny : Moa misy Gasy matoky ve fa ity fitondrana tetezamita tarihin-dRajoelina ity dia afaka hikarakara fifidianana tena hampandresy tokoa ny safidim-bahoaka ? Raha tena matoky izany tokoa ny Gasy, eny na ireo ao anaty fitondrany ihany aza, dia azo antoka fa mpitady ny vaha-olan’ny Gasy sy mahasolo tena azy tokoa Rajoelina Andry.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra