lun.

02

mai

2011

CT sy CST: Tapitra ny andro tsy iasana nandraisan-karama

Hisokatra ny talata 3 mey ho avy io ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity ho an’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna anankiroa notendren’ny FAT. Ny tapak’andro maraina no fotoam-panokafana ny fivoriana ho an’ny «kongresin’ny tetezamita» (CT) ary ny tolak’andro amin’ny 4 ora kosa ny an-dry zareo mpikambana ao amin’ny «filan-kevitra ambonin’ny tetezamita» (CST).

Miroso amin’ny lojika nitondrany ny tetezamitany mandeha irery hatrany, araka izany ny FAT, tahaka izany sori-dalana nitampikirany nandritra ny roa taona naha-krizy ny firenena izay, ary dia mbola tsy niala tamin’ny « fitan-droa » nahafantarana azy izay anisan’ny nampihitsoka ny toe-draharaham-pirenena hatramin’izao. Ireo mpifanandrina aminy rahateo tsy manaiky lembenana ihany koa ka zary toa « faty entin’alina » ny vahoaka malagasy.

 

Ny fanontaniana manitikitika ary, eo anatrehan’io fivoriana ara-potoana nambara fa hisokatra io dia ny hoe : hiroso amin’ny fanendrena izay famenon’isa «ilainy» ao amin’ireo andrim-panjakana roa ireo araka ny vinavinany ve ny FAT sa mbola hiandry? Dia inona indray no mety ho fiantraikan’izany amin’ny fiandrasana izay ho fanapahan-kevitr’ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC amin’ny 20 mey ho avy io sy ny fankatoavana iraisam-pirenena efa mampitotototo an’i Andry Rajoelina mitety an’i Afrika ? Re fa toa anisan’ny haroso hangatahana ny fankatoavan’ny CT sy CST ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana atolotry ny governemanta. Izany hoe asiam-panitsiana indray izany ny hitsivolana lah. 2010-003 nivoaka tamin’ny 23 martsa 2010 mifehy ny fifidianana. Mba ho fanajana ny fetin’ny asa angamba, hoy ny mpanara-baovao, dia mba omena asa kely ireo olom-boatendry an-jatony maro ireo fa efa ho dimy volana izay ny halavan’ny andro tsy iasana nefa nandraisan’izy ireo karama… tamin’ny volan’ny mpandoa hetra »

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra