lun.

02

mai

2011

An’iza ny bodofotsy ?

Mbola tsy ririnina loatra izao fa ny orana aza ity mbola manao ny ataony isan-kariva, na izany aza dia ilaina hatrany ny mirako-damba sy manao mafana rehefa any ampanaovana «mission» any. Nahavatra nilafika tany anaty «kalesan‘olona» niaraka tamin’ny bodofotsy firakotra mihitsy ny mpanao ratsy, tsy misaina afa-tsy ny hamono hahafaty rehefa misy zava-kendreny. Io kalesa io dia tsara ny manamarika fa ilay nandehanana nanao «week end pascal» ihany fa tsy zavatra hafa tsy akory, ary any anaty toby miaramila any no toeram-piantsonany, fa tsy teny amin’ny fasan’ny karàna, na koa eny Ambodivona. Fa tafiditra tao ilay nirakotra ny bodofotsy sy nampiasa ny lava-piringa…

Tsy fantatra hoe nandritra ny hafiriana no tao. Fa ireny kalesa ireny tokoa moa izany tsy mba mihidy toy ilay rambaramban-dry Rakotobozy, izay afatony amin’ny tady mahazaka eo akaikin’ny valan’ombiny eo? Dia asa tokoa re fa mampieritreritra ny trangan-javatra. Enga anie mba hisy hahita sy hanao vavolombelona indray mikasika iny tarehin-javatra iny fa ny mpamosavy mandeha alina aza anie, hono, misy mpahita e!

Fa aiza marina moa no aleha e?

Ho any Atsimon-tanàna mantsy no nambara teny Ambohitsaina raha nijery ny zava-mikatso teny, ary ny filoham-pokontany any Atsimo any mihitsy no handray ny solontenan’ny Gasy mpihazona ny fahefana. Dia manontany tena indray ny vendrambendrana eto an-tanàna hoe: Hay tanàna hafa ilay saika haleha, dia avy eo vao tohizina any Atsimo? Manahirana mihitsy ny miresaka amin’ireto tsy mahalala biby afa-tsy sahona ireto, efa nolazaina kosa fa hotetezina daholo ireo rehetra mpifanolo-bodirindrina amintsika ka tsy misy dikany loatra na aiza no aleha mialoha na aiza. Soa aloha fa matsilo saina sy tsy mpanao angovo toy ny saofera-na taxi-brosy na taxi-be ireto «mpandroaka omby» mirahalahy ireto ka nasampotiny hiverina haingana ny kalesa rehefa hitany fa tsy ho lasa lavitra dia hipoaka. Raha olona tsy lalin-tsaina no teo amin’ny toerany dia nentiny hatrany, ary dia zava-doza no nitranga.

Indrisy!

Manetsetra sy mangorangoraka sisa no azon’ny Gasy atao. Mbola mitahy ny razana matoa afa-doza, mbola nisy ratsy tsy vita matoa nahadingana ny toy ireny, marobe ny adidy aman’andraikitra mbola tsy efa ka notahian-janahary sy novimbininy hatrany ny mpanompony… Tsy indray mandeha, ary tsy in-droa no nisy zavatra tsy matotra toy izao, nitranga teo amin’ny fiarovana ny ain’ny lehilahy maherin’i Madagasikara, koa tsy hahagaga loatra raha mampieritreritra sy mahatonga ny ahiahy hisafotofoto amin-javatra isan-karazany. Ny olana ara-politika tsy mety misava sy tsy mbola ahitana fanafodiny, dia io miverimberina matetika io ny f(if)anenjehana sy ny f(if)amosaviana mifanindran-dalana amin’izay. Ny ahiahy tokoa, rey olona, tsy ihavanana, ary ny Gasy tsy mba mety maty raha tsy misy mamosavy. Toa misy fahamarinana ihany ny an-dry Michaël Jackson sy ny an-dry Zafy Albert amin’ny tsy fahatokisany loatra ireny kalesa ireny.

Diaso kely aloha e

Tsy maintsy ho avy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay (ireo) nahavanon-doza. Koa satria politika ny resaka, dia tsy maintsy ho anisan’ireo heloka politika mahafaty koa no lanjain’ny ratsy saina tamin’izao zava-nitranga izao. Vao haingana loatra ny fisehoan-javatra teo aloha ka tsy maintsy mitodika any amin’ny mpanao politika ny sain’ny rehetra amin’ny zavatra toy itony. Rehefa ny politika no misy hevitra ifamonoana dia «ady amin-tafondro» no tsara hamaranana azy (?), manampy an’izany ny resak’ilay mpitari-tafika malaza eto amintsika : tsy misy ady sy fifandrohitana tsy nentina teo ambony latabatra mba handinihina ny ho fiafaràny sy hifehezana ny fandriampahalemana. Koa inona no ho tohin’ny raharaha ? Tadiavo ny tompon-kevitra tamin’ny fampiasana ny bodofotsy tany anaty kalesan’olona, ary ataovy anatra ho an’ny sisa ny antandrevaka sy ny kitoatoa, ary aza maika hanameloka ny hafa sao (sanatria) misy mpamosavy maleny e! Ary rehefa hita ny lesoka amin’ny tena dia aleo mibaboka raha fa tsy ho vita ny asa, fa manjary mampivonto fo ny hafa fotsiny ilay sady tsy handihy no tsy hanao tsianjery.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra