sam.
30
avril
2011
Nisy nanao sabôtazy indray hono ny fiaramanidina manokana saika hitondra andRajoelina ny alakamisy lasa teo. Io no nivoaka tamin’ny haino aman-jery samy hafa omaly, izay nampitain’ny teo anivon’ny fiadidiana ny FAT. Zava-doza izany hoy ny mpitazana, satria ain’olombelona no alaovina. Tsy dia rototra tamin’izany kosa, ny hafa, satria fiaramanidina manana ny tompony manokana io, ka midika avy hatrany, fa ao no tokony hiainga ny fanadihadiana tamin’izany sabotazy izany. Ny antony,dia fiaramanidina hitondra ny filohan’ny tetezamita izao ve dia tsy hisy olona na miaramila hiambina ? Iza no afaka hiditra ao anatiny, raha voalaza fa nisy nampiasa ny ampahany tamin’ny zavatra tao?
Fa angaha moa tsy misy sidina atao, alohan’ny hidiran’ny filoham-pirenena, na filohan’ny tetezamita toy izao, mandritra ny ora vitsy ireny fiaramanidina ireny rehefa hiainga na ho any ivelany na ho eto an-toerana ihany aza ?
Be loatra izay filalaovana ny ain-dRajoelina izay, raha atao ny fitodihana ny zava-nisy toy ilay fitifirana niainga teny Ambodimita taona vitsy lasa
izay, ary nitohy tamin’ilay baomba teny amin’ny Masay, ary izao indray, dia nambara fa nisy nanao sabotazy ny Jet privé saika hitondra azy hitety firenena maro atsy Afrika. Hiainga amin’io indray ny fanehoan-kevitra politika ho an’ireo efa tsy manankatokona intsony amin’ireo mpila ranondranony. Mety havadiky ny mpanohitra ho sinema ihany koa anefa izany, mba entina hitseran’ny SADC ity ain’ity tetezamita ity ? Ny maika aloha hatreto,dia ny ahitana ny marina, izay inoana fa hiainga any amin’ny tompon’ilay Jet Privé, ny fanadihadiana,satria toa tandrevaka ihany raha fiaramanidina hitondra olona ambony, no baranahiny toy izao.
B.V