sam.

30

avril

2011

Any amin’ny tolàna

Vao nitranga iny « loza voasoroka mialoha teny ampanidinana iny » dia mihevitra angamba ny sasany fa iny olona iny no horesahana eto ? Tsia ! Tsy iny olona iny fa olona hafa e ! Niraradraraka mihitsy ny fanehoan-kevitr’iny olona iny talohan’ilay rango-pohy teny Ivato farany teo. Aleo hampatsiahivina kely sao adino : « Vao vita sonia rango-pohy ity fifanarahana amin’ny mpanelanelana sy ny sehatra iraisam-pirenena ity dia vita kabary, rahampitso ihany dia azontsika io fankatoavana iraisam-pirenena io. Koa manentana ny mpanao politika namana aho hanao sonia avy hatrany , ary tsy mila miady varotra intsony fa ity no lalana ». Teo amin’ny fahitalavitra iray teto an-drenivohitra no nilazan’iny olona iny izany heviny izany, raha nifanandrina ara-kevitra tamin’ilay vao avy nivoaka ny fonja izy tamin’izay fotoana izay. Toa nihomehy naneso moa ity mpifanandrina ara-politika tamin’iny olona iny ka nanao hoe : « Soava dia sy soava tsarà àry e ! ».

Nifandimby ny andro, ary dia efa hifarana ity ny volana aprily fa mbola tsy

azo ilay fankatoavana iraisam-pirenena na dia niakarana tany an’habakabaka (fa tsy tany an-danitra) tany aza. Dia aiza izao iny olona iny ? Maninona no tsy miteny ? Raha ny fahaizany mandresy lahatra anie dia tokony mba hanazava

ny antony tsy nahazoana indray ilay nokatsahina izy e ! Ny fomba nanendrena ilay Praiminisitra sy ny nandrafetana ilay governemanta ve no tena sakana ? Sa

inona marina ? Tsy nandaitra indray ilay tso-dranon’ilay olona iray hafa hoe : «soava dia ary e ! ». Tsy misy hevitra intsony ve any amin’iny oloona iny ka mba hanoritsoritanay indray fa misy antony goavana hafa tsy handrosoan’ity

Madagasikara ity any amin’ny tena fitoniana sy mba haneken’izao tontolo izao fa marina sy tokony hampiana ny fitondrana mitanatana ny firenena ? Pendina ery iny olona iny raha vao nosokafana ny governemantan’ny fahefana avo tamin’ny andron-dry Monja Roindefo, fa ny fidirana ao anatin’izao fitondrana izao no vaha-olana amin’ny krizy gasy. Efa tany amin’ny volana septambra 2009 anie izany e ! Dia nanjononjono izay azony nojonoina tao iny olona iny, nanao izay azony natao sy izay vitany fa ehehe, mbola tsy tena governemantan’ny fisokafana sy ny marimaritra niraisana indray ilay nisy azy. Tsy nahafahana nahazo izay notadiavina. Dia tany, nilentika tany ambadimbadika tany iny olona iny avy eo, ary namorivory mpanao politika tany anaty hotely tany ka nahatsangana fikambanana nahateraka an’ilay dina nifanaovan’izy rehetra teny Ivato teny. Nitsangana indray ny andri-pitondrana isan-karazany nalaina

tahaka tamin’ilay dinan’i Maputo, ka seriny dia seriny ery iny olona iny fa «mpikatsaka » ny vaha-olan’ny firenena. Voajonony tamin’izany ilay mpitarika ny andri-pitondrana eny Tsimbazaza teny ka toa nanamarina ilay nandaozany

ny tolona ho famerenana ny ara-dalàna.Iray volana eo ho ao indray izao no lasa, taorian’ilay jono vaovao vao haingana teo ka nahavitan’ilay rangopohy,

fa mbola io iaraha-mahita io ihany ny zava-misy. Dia milentika any indray iny olona iny. Tsy hita ! Tsy sahy mamerina izay nolazainy taloha (ilay vao haingana indrindra). Mpitarika politika toy izany no mpanao politika gasy

milaza ho mikatsaka ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Inona izao no manakana an’iny olona iny tsy hilaza mivantana amin’ireo rehetra nanantena ny fahaizany sy ny finoany fa « rangotra » dia mahavaha ny olan’i Madagasikara ?

Ary rehefa tsy mahay manazava an’izany dia fahendrena angamba ny miala ao anaty fitondrana ao fa tsy mifikitra sy mankafy ny tombony azo ao fotsiny no handaniana andro. Ary rehefa tsy hanao an’izany rehetra izany dia miovà endrika indray e ! Tsy efa fanaon’iny olona iny moa izany ? Izay mahatsiahy ny ela dia mahatadidy an’izany. Aza mikendry na inona na inona intsony fa any amin’ny tolàna hatrany no voa e !

Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra