ven.
29
avril
2011
Raha malaza amin’ny fananana toerana tsara fitsangatsanganana i Toamasina, dia hita tokoa izany fa satria nahasarika olona maro be tokoa io faritra io tamin’izao fotoam-pialantsasatra izao. Porofon’izany dia tsy latsaka ny roapolo isan’andro ny fiara mpitatitr’olona no mandeha mihazo an’i Toamasina isan’andro.
Manana tora-pasika tsara
Raha eo amin’ny toeram-pitsangatsanganana indray dia anisan’ny raitra tokoa I Foulpointe raha resaka tora- pasika. Nandritra ny alatsinanin’ny paska teo iny izao dia hipoka olona tokoa ny tany. Tsy ambakan’izany anefa ny tora pasika ety amin’ny Bord de la Mer. Na dia nalaza fa misy antsatsa aza ny ranomasina teo dia hita sy tsapa fa voafehin’ny tompon’andraikitra tokoa io resaka io. Satria dia afaka nilomano sy nilalao rano ny vahoaka teo ary hita nihaodihaody teny kosa ny sambon’ny zandary. … Saingy maloto
Raha izay ny momba ny toeram-pitsangatsanganana , dia ny mifanohitra amin’izany kosa ny endriky ny tanàna ankapobeny. Maloto sy tsy voakarakara; ny lalana ao amin’ny renivohitra dia ratsy sy feno lavadavaka daholo. Asa raha ny kaominina ao an-toerana no tsy manao ny asany na koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny faritra sy ny distrika no manadino ny andraikitra tokony hataony fa dia mampalahelo ilay tanàna.
Raha ny resaka vahiny indray dia velon-taraina ny ray aman-drenin’ny ankizy vavy ao an-tanàna noho ny afitsoky ireo Filipiana miasa ao an-toerana . Satria lasa mahazo vahana be indray izao ny “Tourisme sexuel” ao an tampon-tanànan’i Toamasina.