ven.
29
avril
2011
Tsy mila midinika intsony, tsy mila ny fanelanelanan’ny FFKM na hery fanelanelanana hafa fa ny Dr Simao ihany, tsy mila miresaka amin’ny Gasy mpanao politika tsy manohana ny heviny. Ireo raha fintinina ny hevitry ny filohan’ny tetezamita avo Rajoelina Andry, raha lasa any Afrika Atsimo any ny tenany. Hanao inona any anefa ? Hidinika amin’ny filoha Zuma, handresy lahatra azy mba hanaiky ny tondro zotra, izay indraindray haderadera fa fototry ny fahefany ary matetika koa dia ny lalàmpanorenan’ny Repobika IV no ambara fa antony maha-eo azy. Tsy mazava intsony ny tena antony mampikatso ny politikan’ny Gasy. I Zuma sy ny SADC ve izany no vaha-olana e ?
Nahoana no lany andro amin’ny resaka nandany labozia fotsiny teto raha izany ? Fa inona tokoa no antony tsy hanampian’ny mpanao politika rehetra eto amintsika an-dRajoelina Andry mba hampilamina ity resaka ity ? Tsy efa any ry Monja Roindefo sy ry Ravalomanana ? Miankohofa amin’ireto mpanelanelana ireto, dia ataovy izay sitraky ny fony e ! Tanteraho izay rehetra takiany, ary aza be menomemona raha misy tsy mifanaraka amin’ny fisainana izany. Sa tena tsy ho afa-manoatra tokoa isika ?
Freedom day
Taona faha-17n’ny filaminana manaraka ny demokrasia sy ny fahafahana any Afrika Atsimo no nomarihana niaraka tamin’ilay ambasadaoron-dry zareo izay miasa sy monina eto amintsika Mokgethi Monaisa, teny amin’ny trano fonenany teny Ivandry, ny 27 aprily lasa teo. Marobe ny fanamarihana nataony, ary anisan’izany ny ahiahin’i Afrika Atsimo amin’ny ho avy sy ny filaminan’ny Gasy. “Nanao ny ezaka rehetra i Afrika Atsimo mba hahatontosa ny dinika eo amin’ny samy Gasy” hoy ny tenany, ary nomarihiny ihany koa fa ny ezaky ny fanelanelanana ankehitriny dia ny hahatongavana any amin’ny fifanarahana farany eo amin’ny mpifanandrina ara-politika eto amintsika, mba hahafahana miroso amin’ny fifidianana. Mety mbola hisy fanovàna araka izany, izay efa voarafitra teo aloha ao aorian’ny fanapahana ataon’ny filoham-panjakana eo anivon’ny SADC, araka ny fanazavana nataony ihany. Izany no resaky ny olona rehefa mandahatra sy miresaka momba ny firenentsika izy : Aiza ho aiza ny dingana vitantsika ho amin’ny fifampihainoana sy ny fanorenana firenena tsy hisian’ny lonilony intsony ? Tsy nilatsaka toy ny havandra fotsiny ny ezaka nataon’ny Afrikana Tatsimo tamin’ny fandravàna ny politikan’ny fanavakavaham-bolonkoditra tany aminy, fa nifototra tamin’ny dinika sy ny resaka nifanarahan’izy mpiray firenena tao izany. Fa ny politikan’ny Gasy dia tsy te-hidinika intsony fa lany andro fotsiny ? Inona no manakana ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny tsy hamolavola fifanarahana amin’ilay olona nahongany, na notereny hametra-pialana ? Inona no tsy hanereny an-dRavalomanana hanaiky fa tsy mahazo mitsabaka sy miresaka politika eto intsony ?
Sady tsy lôjika no tsy rariny
Raha nametra-pialana sy nanome ny fahefana ho an-dRajoelina ny filoha taloha Ravalomanana dia tsy nisy krizy sy dinika tokony hatao eto ve ? Raha manaiky an-dRajoelina ho mpitarika ny tetezamita (toy ny tamin’ny dinan’i Maputo) Ravalomanana dia efa nivaha ela ny krizy. Raha tena tsy manan-tsiny amin’ny fanimban-javatra ny mpitari-tolona Rajoelina, ka tena tolona madiorano no nataony teto (ho fandrodanana ny jadona) dia efa ela no nanampy ny mpitarika teto ny sehatra iraisam-pirenena. Satria mbola tsy tsapan’ny rehetra (na ny eto an-toerana, na ny sehatra iraisam-pirenena) fa olona tokony hailika tokoa Ravalomanana sy ny fomba nataony teto hatrizay, satria koa tsy manana ny hery ara-politika sy tsy voaporofo koa hatramin’izao fa tena mitondra ho amin’ny fahafahana sy ny demokrasia ary tsy mamerina ny ratsy nataon’ny taloha Rajoelina, dia lôjika raha mbola ao anaty krizy ny firenentsika. Tsy hanan-drariny eo amin’ny vahoaka Gasy sy ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ny fisian’ny mpitarika tetezamita tsy nateraky ny fifanarahana sy ny dinika. Koa tsy mila midinika ahoana moa Rajoelina Andry ? Satria « ara-dalàna » sy nifanekena tamin’ny olompirenena Gasy teto ve ny fahefana eny aminy ? Satria koa efa nifanekena tamin’ny alalan’ny rango-pohy ve fa azy ny fandidiana ny tokony hatao rehetra eto ? Moa tsy izy tenany ihany no nilaza fa ireo nanao ny rangopohy indray no mandà izany izao ? Tokony tsy nandeha any Afrika Atsimo rehefa tsy mila dinika e ! Dia foano amin’ny fomba rehetra ny fivorivoriana tsy ahitam-bokatsoa.
marina tokoa ny voalazanreo e .ny zavtra teo taloha ihany no miverina.Fa raha fanovana tokoa no misy dia efa nekeny vahoaka malagasy sy izao tontolo izao ny fitondrana.Famalifaliana ny mpanao politika no misy eto sady famonoana ny vahoaka madinika.angaha ireo mpitondra reo tsy mihinakanina tahaka ny vahoaka.
omeo an'i Voninahitsy ny fitondrana fa iny be mokony, dia hita eo indray izay be vava
fa mokon-doha ve no atao eto?
