jeu.

28

avril

2011

Sarimihetsika Malagasy: Lasa bizina Rajao

Tsy afa-miala amin’ny resaka sarimihetsika Malagasy intsony isika ary maro no mahay mamisavisa sahady ny matihanina sy ny voka-tsoa ateraky ny firoboroboan’ny sarimihetsika Malagasy. Nampihetsi-po mihitsy ny nahita ny fankafizan’ny Malagasy ny sarimihetsika Malagasy niseho teny amin’ny trano fampisehoana azy ireny, tamin’ny fetin’ny paska teo. Volomborona! Telo taona lasa izay no efa nisiany. Tamin’ny fety teo vao nisy tamberina fa hay efa tamin’izany ity Rajao no efa matihanina. Efa be mpitily izany le zalahy iny ary voaporofo izany ankehitriny. Ao aminy tokoa ny talenta. Rariny loatra raha torahana voninkazo izy fa mamelona artista sy mpikarakara lanonana maro, eny hatramin’ny mpanao dokam-barotra aza. Ny trano mpamokatra Scoop digital moa dia manankina ny ho aviny amin-dry Rajao mianakavy ary azo ambara ho efa tafita. Tsy Rajao no manao bizina fa ireo mpanao bizina no tsara taranja miaraka aminy.

 

Soa fianatra ny azy saingy vitsy no mana-talenta fa izay mahay hono mananjara e! Anjara birikin-dry Rajao ny famelomana mpamokatra sarimihetsika sy ny mitovy amin’izany mba hampateza ny asa ho an’ireo tsy an’asa. Ny Volomborona izao dia nahafahana nampanana asa ireo mpilalao efa matihanina taloha. Ireny olona fohy kely ireny ange ka tsy mba nisy nanome asa fa nitsikaraka mafy ho an’ny tenany e! nisy aza mpanasa fiara no nivelomany. Dia jereo fa ny sarimihetsika Andrebabe no naha lasa an-dry zalahy. Tsara ny zavatra nasehony saingy ny sarimihetsika malagasy ihany no nahafahany mivelona.

Vokatry ny fanadihadiana teny rehetra teny no nahatsapana ity fanaovan’ny bozona an-dRajao mianakavy ity, ary tsy dia misy maharatsy azy loatra arak’izao hitondran’ny mpankafy azy izao.

HERY A

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra