jeu.
28
avril
2011
Hitady toerana hanaovana hetsika ho fampihavanam-pirenena ny HMF. Kasaina atao alohan’ny 20 mey ho avy izao ity endrika ho fampiraisana ny samy malagasy ity. Raha somary nangingina ity HMF ity tao ho ao, dia manomboka maka sehatra amin’ny lafiny ara-politika indray izy ireo amin’izao fotoana. Tsy hanakorontana kosa anefa, fa hikaro-baha-olana hialana amin’izao fahavoazana mianjady amin’ny tanindrazana izao. Ireo niafina tany ambany lakavy aza hoy ny hafa, dia efa tazana mandray anjara amin’ny fihaonana amin’ireo kristiana samy hafa, mba hialana amin’ny korontana eto. Kianja malalaka no heno fa ho hangatahana raha ho azo, ary antenaina fa hamaly ny antson’ireto mpitondra fivavahana ireto avokoa ny hery samihafa satria vanim-potoana tokony hahaizana mifamela izao, fa tsy fifandirana intsony.