jeu.
28
avril
2011
Fantatra miavaka tsara ny lahy sy ny vavy eny an-dalam-be eny. Ara-pitiavana kosa anefa dia vitsy no mahalala ny mampiavaka azy ireo. Toy izao ny azo resahana momba izany. Araka ny fanadihadiana iray natao dia voalaza fa tsy dia tia tena, araka ny hiheveran’ny maro azy ny lehilahy eo amin’ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo. Faly izy rehefa mahatsapa fahafinaretana vokatry ny nataony ny vehivavy miaraka aminy. Ho an’ny vehivavy indray dia mahafaly azy ny firaisana ara-nofo rehefa izy tenany mihitsy no nahazo fahafinaretana. Miankina amin’ny fihetseham-pon’ilay lehilahy miaraka aminy ihany koa anefa izany. Rehefa tsapany fa tia azy ilay lehilahy dia efa mahasambatra azy izany, na tsy niaina “orgasme” aza izy. Manokatra varavarana ho amin’ny fitiavana ny firaisana ara-nofo ho an’ny lehilahy. Mora latsa-pitia amina vehivavy namalifaly azy ara-piraisana ara-nofo izy. Mifanohitra amin’izay ny an’ny vehivavy. Mila fitiavana sy tambitamby izy aloha vao latsa-pitia. Manomboka amin’ny ara-batana ny fitiavana eo amin’ny lehilahy vao miditra amin’ny ara-po. Ny an’ny vehivavy indray dia fo aloha vao vatana. Momba izay ara-batana izay indrindra dia fantatra ihany koa fa tompon-dakan’ny fiarahana haingana sy maimaika ny lehilahy. Mila fotoana elaela kosa ny vehivavy vao afaka hahatsapa fahafinaretana. Misy aza no tsy afaka ny ho sambatra mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo.
Voalaza hatrany fa manomboka eo amin’ny faha-telo sy efa-taonany eo ny vehivavy dia efa afaka mahatsapa fahafinaretana amin’ny alalan’ny fikitihany samirery ny tenany. Ny 95%-n’ny lehilahy kosa anefa dia tsy afaka hahatsapa izany raha tsy tonga amin’ny taonan’ny miala sakana.
Aorian’ny firaisana ara-nofo kosa indray dia mila fotoana kely akany aina ny lehilahy, raha afaka manohy avy hatrany ny vehivavy. Hahazoana mampifandrindra izay fiarahan’ny lahy sy ny vavy izay dia tsy misy afa-tsy ny fifankahalalana toe-batana ihany no mahomby indrindra, hatramin’izao.