jeu.

28

avril

2011

Aiza indray ry Baina ?

Ny eny anaty fefy dia miantsoantso isan’andro vaky izao « avereno dadanay ». Iza tokoa moa izany no tompon’ny fahefana ka tokony hamerina izany Dada very any an-tany lavitra any izany ? Tsy mazava loatra ny antonantony mahatonga iny rangahy iny ho tsy maintsy antsoiny vao hahalala hody. Ny mpitondra manana ny hery sy ny fahefana eto dia efa nivazavaza fa aleo ho avy hifanatrehana, fa marobe ny tokony hanontaniana azy, miandry azy ny fonja e ! Tsy ho afa-bela iny raha mitetateta sy miana-kendry miditra eo ! Rehefa tena tapa-kevitra ny ho avy tokoa izy, ilay indray andro iry, dia niseho indray ny fanakanana sy ny toetran-dRainitetaka. Tonga hatrany ampitan-dranomasina tany indray ry Zandrikely sy ny tropiny ary nalaindaina ny hiresaka amin’ilay Dada milafika any an-tranon’olona any. Tsy mbola fantatra koa hatramin’izao ny anton’io fitsoahana an-dRabaina io. Ny antony tena lehibe indrindra dia azo vinaniana ihany, fa noho ny tahotra ny hivazavazany sy horiatany ny « fehikibo » noho ny ditra tsy voahevitra natao teto. Aleo tokoa miala ilany toy izay tratra farany eo. Dia raikitra indray ny tati-bolana amin’ireto vazaha mainty manodidina antsika ireto ka mirohotra mandeha any daholo indray ny saina sy ny hevitra.

Fa ny eto an-tanàna koa dia misy ny andian’olona sy vondron-kery miangavy fatratra an-dry Baina mpitarika sy mpandimby an’ilay dimbaka avy any Nazareta. Mitodika any amin’izy efatra mitsam sy ny tropiny indray ny resaka ka mamporisika azy ireo hampitangorona indray ny mpifanolana. Rehefa miha-antitra tokoa ny olona dia vingavingaina sy tsy ananana antra mihitsy ny fahaosany, kanefa rehefa voadona sy voan’ny angovo any ambadimbadika any dia tsaroana hatrany ilay resaka hoe : « hiantsoako an-dRabaininay ialahy ». Fa ireto raiaman-dreny ara-panahy ireto tokoa moa izany dia tsy maintsy antsoina koa vao hahalala ny manjo ny « bibiny »(ny ondriny azafady). Bibibiby toetra mantsy ireto ankizy ireto, ka leo sy tofoka angamba ry zareo hatrizay ary naleony nangina rehefa samy ho fotsy rora miteny sy tsy ho laitran’ny balan’ny fananarana ihany tsinona. Fa may Ambondrona ankehitriny ka misamaritaka ny iray tanàna. Mihamanatomotra hatrany ny 20 mey hiakarana ny « fitsarana » eo anivon’ireo vazaha mainty.

Ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy Gasy anefa ity vao mainka mihalalina sy mitombo elanelana. Raha hamaly ny antso ny raiamandreny toy itony, dia ahiana indray ny hisian’ny feo isan-karazany hanameloka azy ho miandany amin’izatsy na izaroa. Moa tsy toy izany ihany no tsy nahitana ny vaha-olana hatrizay ? Misy ihany ny fanehoan-kevitra mipoipoitra manoloana izany rehetra izany fa tsy voatery ho ireo mpitarika isam-piangonana akory no hanelanelana amin’ny raharaha toy itony fa azo atao tsara ny manangana vaomiera amin’izany. Dia hihodinkodina eto indray izany ny resaka hoe : Iza indray no hanao ny fanelanelanana sy ny hanohy ny fitarainana mikasika ny dinika vaovao ? Raha mbola misy amin’ireo mpifanandrina no tsy matoky ny fanelanelanan-dry Baina dia ho herim-po very maina indray izany.

Very hasina tanteraka ny herin’izany ray aman-dreny izany raha ny fomba natao teto hatrizay ka nahatonga ny dika vilana amin’ilay fandraisan’ny tanora andraikitra eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy misy afa-tsy ny hevitry ny tanora no « marina » sy azo ekena fa efa lany andro ny tolon-kevitry ny Ntaolo. Mandritra izay fotoana very rehetra izay ve dia mbola tsy ho fantatra ihany izay tena manao loham-boto sy tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ? Mbola hiandrasana fifampidinihina ve ny fanilihana izay rehetra mpitsivalam-pandry ? Mbola misy hantenaina ve amin’ireo rehetra be vava sy matin-kambo amin’ny tsy antony ? Raha ny marina dia tsy fanelanelanana intsony angamba no ilain’ny Gasy tsy manam-pidiny fa « fitsarana farany ». Iza no vondron’olona sahy hanonona mivantana ny mahatonga izao fikatsoana izao ? Lazao ho ren-tany ren-danitra dia hita eo ny tohiny. Tsy endrikendrika no hanaovana izany fa dingan’ny fandraisan’andraikitry ny raiamandreny. Tsy fihavanan-jiolahy no karohina ao anaty fifampidinihina, tsy tombontsoan’ny firenena mpanambaka hatrizay, tsy rehareha ho an’ny mpanao politika sy ny tia kely, tsy tsikombakomba mahafaty… Raha mbola ireo no mibaiko sy any an-doha dia aleo ihany ry Baina, ho any ambadika any fa mety hampijabaka indray izany.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra