mer.

27

avril

2011

Dingan’ny « tetezamita iraisana »: Natao am-bata ilay taratasy voarangotra ?

Tsy mazava intsony izay tena politika hitondrana ny tany sy ny firenena. Tsy misy sahy milaza (mivantana) ho vonona hiatrika ny fifidianana ireo antoko politika rehetra maneho hevitra. Voatondro ho tsy manana ny fahaleovantenany hatrany ilay komity mpanomana sy mpikarakara fifidianana (CENI). Mifanosona any Afrika Atsimo any indray ny fijerin’ny mpitarika politika eto : Hifanatri-tava any indray ve ny mpitarika ny tetezamita avo sy ilay filoha nahongany ary ilay praiminisiny teny an-dalambe ? Ny eto an-tanàna dia ny hirohotra ho ao anaty lapam-panjakana no mahadodona « ireo kely endaka » amin’ny fifidianana. Tsy misy hevitra iraisana fa dia ny « hihinana » no baikom-pitolomana. Tsy fantatra na noho ny inona na noho ny inona no antony hifanosehana any ( ?)

Ilay taratasy voarangotra dia tsy hita loatra ny lanjany, satria io mbola ifampitadiavana etsy sy eroa io ny ho fampiharana azy. Sady tsy an-tany no tsy am-parafara ny tetezamita avo mpifehy an’i Madagasikara. Tsy ho afaka hiroso amin’izay fifidianana tiany hatao, tsy ho afaka ny hanidy trano ihany koa ka hilaza fa efa misy dingana tsy maintsy arovana ny fananganany ny tetezamita niraisana. Tsy sahy hiverina hidinika amin’ireo hery mpifanandrina ihany koa anefa satria tsy manan-ko halahatra firy intsony.

Miha-lalina ny krizy politika

Ho teren’ny sehatra iraisampirenena hanao « tetezamita lavareny » no hiafaran’ity raharaha ity (°?). Mihamalemy ny mpanao politika Gasy, ary tsy manana ny fironan-kevitra tena tokony hitondrany ny tany sy ny firenena izy rehetra. Ny mpitarika ny tolona ho amin’ny fanovàna dia tsy manana ny tanjaka ho mpitondra firenena mihitsy na dia efa ela nifehezana ny fahefana aza nandritra izay roa taona mahery izay. Ireo tsy mankasitraka ny fandrombaham-pahefana ihany koa dia tsy afaka nanova ny zotra nandehanan’ny « politikan’ny fitoniana ». Ny ankamaroan’ny antoko politika sy ny fikambanana ara-piaraha-monina eto amintsika dia miantso fifampidinihina vaovao indray, tsy misy miresaka ny ho fanatsarana ny taratasy nifanarahana tany aloha fa mitaky ny hahitana hevi-baovao ny ankamaroany. Tsy fantatra isa intsony ny amin’izay vondrona na antoko hampiakarina hidinika, miha-lalina ny tsy fitovian-kevitra sy ny lalana tokony hizorana. Tsy misy mino ilay fifidianana notetehina fa ho vaha-olana indray izay maneho hevitra. Miantehitra amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny hevitra mety harosony sisa no « fara-fanantenana » ho an’ny mpanao politika. Raha tombanana anefa dia toa mbola tsy misy hirika ho amin’ny fahombiazana mihitsy ny fanelanelanana nataon’ity sehatra iraisam-pirenena ity, fa toa vao mainka nitondra ny « fikatsoana » tanteraka aza hatramin’izao.

Fifanarahana hafa indray ?

Na hiezaka ny hihaona amin’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc aza ny mpitarika ny tetezamita amin’ity herinandro ity, dia tsy hisy hevi-baovao hatolony afa-tsy ny fangatahana fankatoavana ho an’ilay fahefana eo am-pelantanany. Tsy maintsy ilay taratasy fototry ny fananganany ny governemanta no tiany hotohanana mafy. Karazan’ny hampirimin’ny Sadc sy ny mpanelanelana anefa iny taratasy iny satria efa mandeha indray ny feo ny amin’ny hanovàna ny mpanelanelana, ka hanolo ny Dr Simao indray ny filoha Afrikana Tatsimo taloha Tahbo M’beki. Ity filoha Afrikana Tatsimo taloha ity dia nitarika ny fifanelanelanana tany Côte d’Ivoire tany, ary vitany ny nifandamina tamin’ny fitondrana frantsay izay nandray an-tanana ny fandaminana tiany napetraka, ka iny niaraha-nahita iny ny tohin’ny tantara tany. Raha ny eto Madagasikara dia tombanana ny mety hisian’ny « tery vay manta » hataon’ireto mpanelanelana ireto amin’ny ho fananganana tetezamita sy fifanarahana hafa indray. Dia hanaiky lembenana fotsiny ny amin’izay planina volavolain’ny vahiny izay ny mpanao politika eto Madagasikara, satria efa lany tetika sy tsy mahita rirany intsony ho amin’ny firaisan-kevitra. Tsy ny olana intsony izany izao no vahana fa ny hahazoana ilay fankatoavana iraisam-pirenena fotsiny dia ampy. Izay manaiky azy ireo indray no hobiana ho mpandresy ( ?) Veloma lava Ra-fifidianana sy Ra-demokrasia ombam-pahafahana.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra