ven.

22

avril

2011

Feno olana ny tanàna: Aoka izay ny resa-be

Vao miposaka ny masoandro, dia efa krizy no miandry. Krizy azo vahana, fa tsy sanatria krizy voajanahary toy ny hita any amin’ny firenena tratry ny horohoron-tany sy tsunami. Misakoroka ny mpivarotra eny Anosibe noho ny resaka hetra. Tsy mbola fantatra ny ho avin’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite ny fidirany. Mitaky ny hametrahana ny ara-dalàna sy ny tetezamita hiaraha-mitondra ny mpanohitra. Miady an-trano ireo mpanao politika miara-dàlana amin’izao FAT izao. Tsy mahazo misidina ny habakabaky Eropa intsony ny fiaramanidin’ny Air Madagascar. Mitaky ny hamoahana ny voafonja noho ny resaka politika ny maro, ary be ireo mihevitra ny hidirana any amin’ny fampihavanam-pirenena. Tsy mbola hita veroka ny hamerenana ireo mpiasa voaroaka noho ny fanonganam-panjakana ka voasazy noho ny resaka AGOA. Ireo dia krizy iainan’ny vahoaka eto amintsika, ary manginy fotsiny ny filazan’ny Amerikana ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto. Aoka izay ny resa-be etsy sy eroa, fa tsy aleo ve vahana amin’izay ireo voatanisa manempotra ny ambanilanitra ireo ? Sa misy mahita tombontsoa manokana amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izao ?

Imasomahita

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra