ven.

22

avril

2011

Fangalam-piery amin-jaza

Adiny iray sy sasany izy no niresaka sy nifampidinika tao. Nandritra ny resakareo ve dia tsy nisy mihitsy ny hevitra avy tamin’ilay olona nanasa (na niantso) na dia ho fehezan-teny tokana monja aza ? Filoham-panjakana sy lehiben‘ny andripanjakana no niresaka tao ? Io kifonofono io hatrany no mahavoa antsika ! Tsy te-hilaza izay tena marina sa inona no olana ? Tsy hain’ny mpikirakira ny sera eny anivon’ny fiadidiana ny tetezamita ve sanatria ny hanavaka ny fitsidihana amin’ny fomba fifanajana eo amin’ny samy filoha mpitondra fanjakana sy ny hoe dinik’asa nifandimbiasan’ny mpifanandrina politka Gasy no natao ? Dia lasa tany Maputo Mozambika indray avy eo ? Angaha moa efa nisy programa an’izany talohan’ny niaingàna teto ? Tsy maninona mihitsy, na ho tetezina daholo aza ny firenena rehetra ao anatin’ny vondrona SADC, raha ny tombotsoan’ny Gasy tokoa no tadiavina, sady ny filoha avo dia efa nanaiky teo imason’ny rehetra fa ataony izany ho fanamporofoiny ny fitiavan-tanindrazana ao aminy. Saingy indrisy, fa tsy ho an’ny Gasy ny hevitra narovana fa ho amin’ny fankatoavana ny « hala-pihinana » nandrombahana ny fahefam-panjakana. Fikarohana fatratra ny haneken’ny mpanelanelana fa « marina » sy tsy manan-tsiny ny mpitarika ny fitondrana avo teo amin’ny fandrodanany ny fanjakana voafidim-bahoaka teto...

Tsy azo saintsainina mihitsy ny mbola hiverenan’ilay Ramose niongana iny raha ny ato ho ato ? Dia voaporofo indray io fa ny hanalavitra ny tavany no tena politikan’ny « fitoniana » raha ny hevitry ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny. Tsy te-hifanatrika aminy ? Mahavariana ihany anie raha filoham-panjakana no hanao fitsidihana any ivelan’ny fireneny dia tsy hitondra hiaraka aminy ny minisitry ny raharaham-bahininy e ! Raha samy hivingitra mpanara-dia ve tsy naleo ny tompon’ny sera amin’ny vahiny no nentina ? Fa tsotra ihany no antony nitondrana an’ilay « akaman-dRamose » fahiny any : Haderadera amin’ny mpiatazana fa efa tena misokatra amin’ny hery hafa sy tsy mitanila intsony ny fahefam-pitondrana eto ka mendrika ny hampiana sy hovatsiana vola; ary indrindra indrindra dia tokony tsy ho kianina intsony ny momba an’ilay sori-dalana efa vita rafitra tsara sy vita rango-pohy fa iny ihany no tena hevitry ny Gasy. Raha marina izany fanjohian-kevitra izany dia tsy nilaina akory ny fitsidihana ny Lapan’ny Filoha tany Namibia. Miafina an-dRamose ireo rehetra mpanao politika Gasy rehetra nahatsapa fa lalan-diso no nizorany. Raha mbola azon’izy rehetra ato ny « miala ilany » dia ataony izany. Tsy mahagaga raha nanezaka mafy ny mpitarika ny tetezamita raha niresaka fohy tamin’ny mpampahalala vaovao tao an-drenivohitry Mozambika tao, nandritra ny fandalovany tany, ka tsy nisalalasa nampitovy ny mpifanandrina politika aminy ho toy any filoha Toniziana Ben Ali, na ny filoha Ejiptiana Hosni Moubarak . Raha tsorina ny tiany ho lazaina dia tsy mahazo miverina mody an-tanindrazana i Ramose, ary tsy mahazo mirotsaka ho fidiana intsony fa efa mibaby sazy.

Fangalam-piery amin-jaza no niafaràn’ny politikan’ny Gasy. Tsy sahy miatrika sy mifampiady hevitra intsony. Fanondro roa no atao ho endrika basy hitifirana ny hafa, ka ny vava no mihiakiaka mafy fa « maty ialahy », ny tena anefa amin’izay dia mifendrofendro mitomany satria sady sahirana amin’ny « kilalao » no tsy tsy mahita izay porofo marina fa tena « resy » ny mpifaninana amin’ny tena. Fanondro roa ve hahafaty fa mba kilalao no atao e ! Lany andro isika raha mbola hanaraka am-bokony ny hevitra toy izan,y satria sady tsy manaiky ny ho « boka » izay tratra amin’ny fangala-piery hatao no tsy misy afaka hitsara ny lalao. Tsy tsaroanareo ve ny lalao tany anaty lobolobo ? Tapa-kazo no basy, ialahy ilay « rôl » mandresy, izaho ilay bandy maty resy hatrany ! Any an-tanin’olona any dia mbola mifanejika hitsikilo an’i Baomijijy ihany ? Mampieritreritra fa tsy mampihomehy intsony.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra