ven.
22
avril
2011
Matetika dia ny halehiben’io filahiana io hatrany no ambentin-dresaka eo amin’ny samy lehilahy. Ahoana kosa ny amin’ny fivaviana ? Fantaro ary fa mahatratra 8sm eo ny halalin’ny fivaviana amin’ny refy antonony ankapobeny. Mety hiha-lalina kely izy rehefa tonga amin’ny “excitation”, saingy tsy hisy hahatratra 12 sm na izany aza. Mety ho betsaka ireo diso hevitra fa any amin’ny atilalina any no misy ny tena zavatra, manaitaitra. Diso izany. Ny fahaizana mikitika azy ihany no fanalahidin’ny fahataitairany fa tsy ny fanatrarana ny atilaliny. Momba ny sakany indray dia mety ho eo anelanelan’ny 0sm ka hatramin’ny 10sm eo. 0sm rehefa tsy mihetsika ary 10sm rehefa miteraka. Mihenjana toy ny fingotra ny fivaviana araka izany, izay no mahatonga azy ho afaka maneritery ny taovam-pananahan’ny lehilahy mandritra ny firaisana ara-nofo. Izay rahateo no mahatonga azy roa ireo ho afa-miaraka hatrany, na toy inona halehibe na hakelin’ny filahiana.