mer.

20

avril

2011

Samy mafoaka

Samy manana minisitra ao amin’io governemanta tarihin’ny Praiminisitra Vital io ny tropin’ireny olona ireny. Ny ankilany milaza fa tsoahy ao amin’ny ministera tantaniny ao ny minisitra ny ati-tany fa tsy mahafeno ny fepetra tena hahamari-pototra ny tsy fitongilalanana ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy mpiandraiki-draharaham-panjakana iny ka manahirana, hoy ny fanazavana, ka dieny mbola tsy mandingana ny fotoam-pifidianana isika dia mametraha fialàna. Fa tsy niandry ela ny andaniny ka nanao angoa-tenda sy nivazavaza fa tsy mendrika ny ho ao amin’ny ministeran’ny fitanterana koa ny minisitra ao satria tsy mahay «misaofera », ny tantara no hain’iny araka ny filazàna nataony teo anatrehan’ny mpampahalala vaovao. Fa ireny olona ireny ve adala e ? Izany no resaky ny mpitazana. Tsy ny asa no atao tsara sy ilofosana mafy fa lany andro amin’ny fifanankianana indray. Mahatsapa ve ireny olona ireny fa tokony hifampitsikerana indray ity endriky ny « governemanta iraisana » ity ?

Raha antoko politika tety ivelan’izao fahefana efa mitondra izao no mifanasa vangy toy ireny dia toa tsy nampihontsona firy, saingy ny toy izao no tondroin’ny Ntaolo amin’ilay hoe : Mifanipaka toa valala an-karona. Samy miseho milay, kanefa tsy milay, hoy ny fitenin’ny tanora sy ny ankizy ankehitrio. Tsy mazava akory anie ny tena anton’ny fifanakianan’ireny olona ireny fa dia samy miteny izay hitsin’ny lohany fotsiny izy ireo e ! Ny toy izao no mahatonga ny eritreritra tsy mandry eo amin’ny samy olompirenena satria hita miharihary loatra fa miseho lany ny tsy fifampitokisana eo amin’ny samy mpanohana izao fitondrana izao. Mifampitsikera ho samy te-hahazo ny fironan-kevitry ny mpitarika ? Tsy izany ve ilay hoe : te-hideradera mba ho hitan’ny hafa ? Sa kosa samy mba te-hiteny satria tsy nanan-kalahatra hatrizay, sitrany ahay mba misy mihaino sy misy mahita? Rehefa mihaino an’ireny olona ireny dia toa tsy misy marina mihoatra noho izy ireo eto amin’ny firenena. Izy ireny ihany no mahita ny toko tapaka tokony harenina, na koa ny madilana tokony hososohana.Nandritra ny fotoana maro anie ireny olona ireny no efa teo amin’ny sehatry ny politika ka tokony mba samy hanana ny fomba mihaja kosa amgamba amin’ny fanaovana ity politika ity. Sa efa fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana izao ? Dia tsy maintsy mifanaratsy ? Nivoaka mihitsy moa ny teny mpieritreretana teo amin’ireny olona ireny, ka toa samy nanongo tena ihany angamba satria tonga saina tampoka ? Ny tropy ankilany dia manana ny karatra «as» mbola azo lalaovina tsara, ary ny an-daniny kosa dia «tonga saina» fa sao dia mba ny any ivelan’ny fahefana mitondra ankehitriny àry no tokony hanaovana angaredona fa tsy sanatria hanao toy ny ombilahy roa ambala izy ireo. Fa na inona na inona lazain’ireny nara-tsaina mihitsy ireny satria samy manana ny lalana tiany hitondrana ny politikany. Ny nahatonga ny fitambarana teto anie dia fanonganan’olona fa tsy ho fananganan-javatra e ! Miara-komana ny politikan’ny Gasy, fa tsy miara-devona mihitsy e ! Samy mafoaka sy manavo-tena rehefa ho fefika.

Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra