mer.

20

avril

2011

Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza

Reny sy zaza 4 tapitrisa no kendrena ho karakaraina

 Nanomboka omaly ary hatao manerana ny Nosy ny hetsika herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Manampy tosika mavesatra amin’ny fanatontosana izany ny UNICEF. Mifanindran-dalana amin’ny hetsika herinandro afrikana ho an’ny fanaovam-baksiny ihany koa ity andiany faha-folo ity, izay marihina anatin’ny lohahevitra hoe “fiaraha-monina vita vaksiny, mponina salama tsara”. Kendrena hahatratra efatra tapitrisa ireo reny sy zaza hahazo fikarakarana. Hiisa 7 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana, 16 000 ny mpiasa eny ifotony, 35 000 ny mpanentana handray anjara hisahana ny asa mandritra ity herinandro ity. Maherin’ny 2 900 ihany koa ny toerana hanaovana izany, ankoatra ireo 5 100 mandehandeha. Naneho ny hafaliany amin’ny nahazoana nanatontosa ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny solotena maharitry ny UNICEF miasa eto Madagasikara, Bruno Maes, na eo aza ny krizy izay mbola mihatra amin’ny firenena. Manamafy ny fanentanana efa natao hatrany izy, ny amin’ny tokony hifarimbonan’ny hery velona sy ny fikambanana rehetra hifanome tanana hanatontosa ny hetsika. Anisan’ireo firenena aty Afrika nahitana fahombiazana rahateo i Madagasikara teo amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza latsaky ny dimy taona, tato anatin’ny taona vitsy izay.

 

Momba ny tolo-tanana mahakasika izay fanaovam-baksiny ny zaza izay ihany koa dia fantatra fa manodidina ny 900 isa ireo toeram-pampangatsiahana fitahirizana efa natolotry ny UNICEF nanomboka ny taona 2007. Ho an’ny UNICEF dia mila hamafisina hatrany izay fanaovam-baksiny izay eto Madagasikara. Voaresaka ao anatin’izany ny tokony hiomanana amin’ny hahazoana manao ny vaksiny vaovao : ny vaksiny misoroka ny “pneumonie” amin’ny taona 2012 sy ny vaksiny misoroka ny aretim-pivalanana amin’ny taona 2013. Mila hampahatsiahivina ihany mantsy fa ireo aretina roa ireo no mbola anisan’ny aretina miteraka fahafatesana maro an’isa indrindra eto amintsika, eo amin’ireo zaza latsaky ny dimy taona. Ny taona 2006 no nanombohana ny hetsika herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza teto amintsika, izay hatao isaky ny enim-bolana. Natao indrindra hanampiana ireo toerana saro-dalana.

Monica

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra