mer.

20

avril

2011

Firaisana ara-nofo: Ireo « positions » tena ankafiziny

Ireo « positions » tena ankafiziny; Tohina fanadihadiana natao tamina tranon-kalam-pifandraisana iray no nahitana ireo karazana « positions » dimy tena tian’ny lehilahy. Nitana ny laharana voalohany tamin’ireo ny « levrette », na ny lehilahy avy ao aoriana. Voalazan’ity fanadihadiana ity mantsy fa anisan’ireo zavatra tena tian’ny lehilahy izany hoe mampiseho ny tanjany sy ny heriny izany, indrindra amina firaisana ara-nofo. Manampy betsaka azy amin’izany ity « position » ity. Ao amin’ny laharana faharoa ao indray ny « fellation », na ny vehivavy mitsentsitra. Hatramin’izao, raha ny vokatr’ity fanadihadiana ity hatrany, dia tsy misy maharesy ny “fellation” eo amin’ny paika rehetra hitazonana lehilahy. Tsy ahafoizany io “position” iray io, noho izany, ilana traikefa sy fahaiza-manao tsara ny fanaovana azy.

 

Fahatelo ny “andromaque”, na ny vehivavy eo ambony. Ny vehivavy indray no mitondra ny lalao eto amin’ity “position” ity. Voalaza ho tena manome fahafinaretana ny lehilahy ny fitazanana ny tapany ambony amin’ny vatan’ilay vehivavy raha somary mipetraka kely izy. Any amin’ny laharana fahaefatra kosa ny “missionaire”, na ilay fomba mahazatra (ary tsy hita ny maharatsy azy) dia ny lehilahy eo ambony izany. Ny fanafosafoana isan-karazany kosa indray no voalaza ho tena mahazo vahana amin’ity “position” ity. Farany amin’ireo “positions” dimy ankafizin’ny lehilahy dia ny “69”, izay zary hanihanian’ny maro hoe lasopy. Mifamototra ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mampihatra ity “position” ity, saingy mialoha ny “penetration” no tsara hanaovana azy. Samy manana ny ankafiziny ny olona tsirairay, na ny lehilahy na ny vehivavy. Ny fifampiresahan’ny mpivady ihany anefa no lakilen’ny fahasambarany, indrindra amin’ny lafiny firaisana ara-nofo. Mila mifampihaino, mifankafantatra ny tiana sy ny tsy ankasitrahan’ny tsirairay. Izay no miantoka ny fahombiazan’ny maha-mpivady.

 

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    aqs_mgc2odon.yahoo.fr (mercredi, 24 août 2011 16:14)

    Izaho mila torohevitra fanalehibiazana sy fanalavana ny filahiana

  • #2

    dera (dimanche, 20 mai 2012 14:22)

    tena kely ny filahiko inona no fomba hanalebehazana azy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra