jeu.
21
avril
2011
Nitodi-doha an-tanindrazana omaly ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, rehefa avy nihaona tamin’Atoa Hifikepunye Pohamba, filohan’i Namibie sady filoha amperinasan’ny vondrona SADC ary nihaona ihany koa tamin’Atoa Armondo Emilio GUEBUZA filohan’i Mozambika, ny alatsinainy 18 sy talata 19 aprily lasa teo. Ny fanambarana navoakan’ny fiadidiana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita dia nitatitra fa naharitra ora iray ity fihaonany tamin’ny filohan’i Mozambika ny talata lasa teo ity, raha ora iray sy sasany kosa ny faharetan’ny dinika nataony tamin’ny filohan’i Namibie ny alatsinainy. Niara-dia amin’ny filohan’ny FAT tamin’ity fitetezana firenena afrikana vitsivitsy ity ingahy Raharinaivo Andrianantoandro, filohan’ny kongresin’ny tetezamita.
Taorian’ny dinika tamin’ny filohan’i Mozambika, araka ny tatitra, dia namaly ny fanontanian’ireo mpanao gazety mozambikana sy vahinytonga teny amin’ny lapam-panjakana ny filohan’ny FAT, ka tamin’izany no nanambarany fa nahafa-po azy ny dinika nifanaovany tamin’ Atoa Armondo Emilio GUEBUZA.« Nihaino ny fanazavany ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny filoha mozambikana, ka notsindriany tamin’izany fa araka ny voatondron’ny fepetra tetezamita ao amin’nylalampanorenan’ny Repoblika fahaefatra vao lany farany teo, dia izy (Andry Rajoelina) no filohan’ny tetezamita mandrapahavitan’ny lanonana famindram-pahefana amin’izay filohan’ny Repoblika fahaefatra ho lany eo ». Nambarany tamin’ny filohan’i Mozambika
koa anefa fa « na dia eo aza izany fepetra voatondron’ny lalampanorenana izany, dia nanaiky ny hampihatra ny sori-dàlana novolavolain’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC miaraka amin’ireo mpisehatra politika rehetra izy ».
« Efa misokatra amin’ireo fironana politika samihafa ny governemanta najoro mba hisian’ny tetezamita iraisana sy tsy manavaka, araka ny voarakitra ao amin’ilay sori-dalana ». « Ary mba tsy isian’ny ahiahy dia nilazako ny filoha mozambikana fa hotohizana ny fampiharana ireo fepetra rehetra voatondron’iny sori-dalana iny mba ahazoana manatanteraka fifidianana malalaka, marina,
mangarahara ary demokratika». Niangavy ny filoha mozambikana koa ny tenany hanampy azy amin’ny fanatanterahana iny sori-dalan’i Simao iny mba hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy politika, ary dia nanaiky izany
moa ny filoha Armondo Emilio GUEBUZA, araka ny voalazan’ilay fanambarana ». Fa ny momba ny fahazoan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc milatsaka
hofidina ho filohan’ny Repoblika kosa, dia nazava sady hentitra ny valin-teny nomeny ny mpanao gazety :« na aiza na aiza eran-tany, ny olona efa nohelohin’ny fitsarana tsy mahazo ary tsy afaka milatsaka hofidina ».« Noraisiny ho ohatra ny hoe ahoana no azo isaintsainana fa i Ben Ali sy Hosni Moubarak dia mbola ho afaka ilatsaka hofidina ho filoham-pirenena any amin’ny fireneny avy ? », araka ny nambarany. Raha ny vaovao re moa dia toa hoe mbola handalo tany Afrika atsimo sy Zambia izy tamin’ity diany ity, fa nahagaga ny maro izao fiverenany tampoka an-tanindrazana izao. Tsy mba nisy mantsy fanambarana ofisialy navoakan’ireo filoha notsidihiny ireo hatramin’izao, fa feondakolosy tokana avy amin’ny FAT no mivoaka, ka mampiahiahy… Dia mbola tsy nahita rirany indray ve ?
Tsy mahalala menatra mihitsy ireto FAT ireto, mivadi-dela isak'izay mandeha; "hambom-pom-pirenena" hoy ny hirahirany rehefa tsy mahazo rariny avy @ any ivelany. Mandadilady any indray rehefa tsy
manam-bola hanaovana fifidianana (fifidianana matoatoa tahaka an'ilay t@ 17 novambra).
Raha ny fampanantenana sy ny resa-be aloha no mahavoky dia tena maty voky avokoa ny rehetra : "mahavita antsika ny harenantsika".... mahavita antsika tokoa saingy olom-bitsy ihany no nitavana
an'ireny tao anatin'izay roa taona izay raha tsy hilaza afa-tsy ny "bois de rose" ary ny loza dia ho tantely afa-drakotra indray izany koa izany izao ny harena an-kibon'ny tany. Loza!
