lun.

18

avril

2011

Nisy olo-masina nihinam-boalavo, hoy i Fanihy

Iray volana sy tapany tany ankoatra

Aretim-bavony, saika nitarika tany amin’ny fiainan-tsy hita no nahazo an’i Da-Rôla, na i Fanihy mpihira. Iray volana sy tapany izy no tsy nahatsiaro tena tany amin’ny hopitaly etsy Soavinandriana, saingy velona soa aman-tsara ihany. Be ny zavatra hitako, hoy Ifanihy nandritra izay iray volana sy tapany tsy nahatsiarovany tena izay. Fiainana hafa toy ny any ankoatra, nefa toa ety an-tany. Fiara toy ny fitondrana razana no nitondra ahy ho any an-tany lavitra, ary voafatotra ny vatako iray manontolo. Tsy afa-nihetsika aho, ary mpanankanto fantatro tsara no namily ny fiara nitondra ahy. Voageja nandritra ny fotoana ela, ary nahita fiainana hafahafa. Isan’io ny nahitako olona toy ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly, nefa toa any ankoatra izany izahay, ary toa anjely. Mihinam-boalavo fotsy izy io, ary nilaza fa izy no mpanavotra izao tontolo izao..................

Nihevitra aho, fa ity ve no Jesoa, sa tsy izy, satria i Jesoa no mpanavotra izao tontolo izao, saingy nahoana no mihinam-boalavo ? Io no nitsabo ahy sy nikarakara ahy tao anatin’ny fiainan-tsy hita nandritra ny iray volana sy tapany tsy nahatsiarovako tena tao amin’ny trano famelomana aina. Io lehilahy io no nilaza tamiko, fa miverena eny ambonin’ny tany, ary vao niteny izany izy, dia nihiratra ny masoko, ka izaho teo ambony fandriana no hitako. Faly ny dokotera nahita ahy velona, satria efa nihevitra izy ireo, fa tsy ho namana intsony aho. Tany karankaina, sy toerana toy ny tanety may no nametrahana ahy, ary nahita fiainana mahafinaritra sy mampatahotra aho. Ireny angamba hoy i Ifanihy no atao hoe fiainana any ankoatra sy ny afobe ?

Mankamamy fiainana

Taorian’izay, dia isan’ny mankafy fiainana Ifanihy, satria hafa ihany izany fiainana an-tany. Mivavaka izy, ary tsy mikitika zavatra mahadomeilna toy ny toaka sy sigara. Mahafinaritra ny manokatra varavaran-kely vao maraina, ary mahita ireo zava-maniry samy hafa. Efa salama tsara izy, ary mitohy ny fampisehoana an-tsehatra sy ny famoronan-kira ataony. Ny alatsinain’ny Paka izao izy sy ny tarika Rebika dia hanao fampisehoana goavana eny Mahitsy, ary hitohy ny fitetezam-paritra ataony. Nambarany, fa raha vao dila roa andro monja ny tsy nahavelomany, dia efa saika nisy fandidiana natao tao amin’ny tendany, ka tsy afaka niteny sy nihira intsony izy toy izao. Izany tokoa ny hoe tsy ny olona miala aina no atao hoe ho faty, fa ny tapitr’andro e ?

Nanangona Raleva zokiny

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    lalaina (mardi, 19 avril 2011 20:32)

    lalaina : arabaina izany ifanihy ny tenako dia anisany mpakafy ary namako be i bodo ilay niarakanihira taminao lesabotsy iny

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra