lun.
18
avril
2011
Mora afa-po kokoa ny lehilahy raha ampitahaina amin’ny vehivavy. Izany no anisan’ny navoitran’ny fanadihadiana aostraliana iray, nivoaka vao tsy ela. Ny isan’ny firaisana ara-nofo no tena manan-danja ho an’ny lehilahy. Ny vehivavy kosa dia mila kalitao, izany hoe na vitsy aza fa tsara dia izay no ilainy. Vehivavy sy lehilahy miisa 6 500 no nanaovana ity fanadihadiana ity. Hita tamin’izany fa manantena firaisana aranofo maromaro an’isa hatrany ny 54%-n’ny lehilahy. Ny mifanohitra amin’izay kosa, izany hoe, tsy dia firaisana ara-nofo marobe no ilain’ny 42%-n’ny vehivavy. Mora mitsoaka ny vehivavy niaina firaisana ara-nofo tsy misy kalitao. Tsy manara-penitra ? Ireo lehilahy mbola tanora, eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 24 taona kosa no hita ho tena tsy miraika firy ary tsy mitaky an’izay firaisana ara-nofo marobe izay. Manomboka eo amin’ny faha-30 taonany eo ny lehilahy no voalaza ho mila maromaro matetitetika. Eo ihany koa anefa mazana no maha-maro an’isa ny adidy sy ny andraikitra tsy maintsy iantsorohana ao anatin’ny fiainam-pianakaviana, ankoatra ny asa.