lun.

18

avril

2011

Dia gaga ianao ?

Aiza marina moa no misy an’ity Madagasikara ity ? Misalàka ny trôpikan’i Kaprikôrna, na ilay laharam-pehin-tany Adijady izany raha ny jeografia e ! Na dia olona donto sy tsy mahalala na inona na inona eo amin’izay fifandraisana sy sera ifanaovan’izao tontolo izao aza ve no hiresaka, dia hisy hanana fisainana mirefarefa ka tsy hahatsapa fa efa ela no foana ny elanelana teo amin’izao tontolo izao noho ny fandrosoana ? Dia gaga ianao ? Satria olona ambony eto amin’ny tany sy ny firenena no milaza fa « mifanalavitra indray izao tontolo izao ». I Rainibary arý Ambadik’i Manareza aza, afaka mifandray mivantana amin-janany aty an-drenivohitra, Ry ikala Zaninina tany Liban ireny anie dia nanana hevitra tamin’ny fomba rehetra nifaneraserana tamin’ny « akamany » sy ny fianakaviany teto e ! Ary tsy vao omaly no omaly no misy trangan-javatra tany Ejipta na Tonizia, na Libya ? Fa toy ny indray mipi-maso dia henontsika sy hitantsika teto amin’ny tanàna ny zava-nisy tany. Dia gaga ianao ? Satria hain’ny mpitondra avon’i Madagasikara no nilaza fa ny fihetsiny sy ny tolony no nalain’ireo firenena ireo tahaka.

Ka ny ilany andrefan’izao tontolo izao sy ny atsinanany ve moa tsy hisy elanelany e ! Fa izany ve dia hidika fa lasa tsy mifankahalala sy tsy mifanakalo « vaovao marina » isika eto sy ny any an-dafin’ny riaka rehetra any ? Haintsika ny manodikondin-dresaka rehefa ny tiantsika hatao no atao. Tsory fotsiny fa manahirana ny miresaka amin’ny « mpiteny Anglisy » raha ampitahaina amin’ireo « mpiteny Frantsay » dia vita kabary. Lazao mahitsy amin’ny mpiray firenena fa misy « vola sisik’ila » any Ananonanona any mba hampihodinana ny raharahantsika eto. Ao anatin’ny fahasahiranana ve moa tsy ho azo atao daholo izay hevitra hita rehetra ? Tsy izany no tonga amin’ny fitenin’ny razana hoe : Ahoanao inona izay omby maty any fa ny hena hanina ? Tsy fain-javatra mihitsy isika amin’ity fifidianana atao amin’ny fomba maimaika sy tai-dronono mandroatra ity. Tadidio daholo ireto daty ireto dia ho tsapantsika ny hadalantsika mianakavy : 20 martsa 2010, 12 May 2010, 12 Aogositra 2010, 17 Novambra 2010, 20 desambra 2010, 16 Martsa 2011, 4 May 2011, dia mbola misy iray kihonohono koa amin’ny Septambra 2011. Iray tamin’ireo daty ireo no vita tamin’ny fomba amboletra, ary dia fantatr’izao tontolo izao ny tsy fahatomombana tamin’izany, ary tsy nahazo sitraka mandrak’ity ny anio ny zava-bita. Dia tonga indray ny hevitra sadasada sy raisina an-kamehana : Hanao fifidianana isika (tsy fantatra hoe hifidy an’iza, iza no ho fidiana ?) Tsy manana hadisoana mihitsy isika tamin’ireo daty marobe notanisaina ireo, fa ny hafa no nahatonga ny « korontandrontana » teto. Tsy nisy fifanoheran-kevitra nitarika ho amin’ny tsy fanajàna ny zon’olombelona teto. Mitampina ny mason’ilay masoivoho Amerikana nanatrika ny fanambanana basy sy fandraisana vozon’akanjo tetsy Antanimena, tsy hitan’ny mpiandraiki-draharahany amin’izao fotoana ny basy nirangaranga narahina angovo teny amin’ny FIGN sy ny sarika am-pitaka teny amin’ny Bani. Raha ireny fotsiny no tanisaina dia hilaza amin’izay isika fa noho ny elenelana ara-jeografia no tsy ahitan’ny vahiny ny « ezaka » nataontsika hatrizay ? Dia gaga ianao ? Fa lafatra sy mety ny lalantsika ka tsy mila n’iza n’iza hanome lesona intsony.

Hitondra ho aiza ny fahazaintsika sy ny teti-panorona ho amin’ny famahantsika ny olantsika ? Raha nananja izay nifampifehezana teto isika dia azo antoka fa tsy nisy hevitra na hery vahiny sahy hitsofotsofoka amin’ny raharahantsika teto. Saingy indrisy fa isika tsy mahita lalan-kivoahana indray ity no toa avo vava sy mihambo ho tsy tia vary mohaka. Tsy tonga lafatra velively ny politikan’ireo firenena manolotra soso-kevitra ho antsika ireo, fa tsy izany akory no hanamavoana ny heviny sy hiheverana azy ho tsy misy lanjany. Dia mbola ho gaga ve ianao raha avo vava ny gisalahy avy nihinana ny ketsan’olona, moa hahataitra anao intsony ny hevitry ny tenin’ny Ntaolo hoe : ory ampiana toy ny vehivavy ? Midehadehaka famindra kanefa lamban’ny hafa no itafiana sy eny an-tsikinana.

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    jacta (mardi, 19 avril 2011 13:09)

    Marina ny voalazan'iOnyR fa tadio;ny adalan'ny ankilany(mpanoitra)koa no mahatonga ny tantara toy izao.Dikany tompon'andraikitra daholo!izao vao tonga saina tsikelikely daholo hoe hay ilaina ny fandraisana anjara sy miditra ao anaty fitondrana fa tsy maty intsony ny miziriziry amin'izao fa ela loatra.Minjaly ny vahoaka madinika noho ny hadalan'ny mpanao politika.

  • #2

    tenikely (jeudi, 21 avril 2011 08:19)

    Dia tsy gaga isika raha toa izao foana no misy eto, samy milaza ho tsy tompon'andraikitra fa ny hafa no nanao io. Mba jereo anie ireto mpiray tanindrazana efa tena sahirana e! ny olana eto dia raha tsy ny equipa-ko irery no mitondra ny familiana eny hatramin'ny hoentina aza dia tsy mety daholo izay eo. Mba saino ihany ireo vahoaka izay tsy mba afaka miteny firy satria sahirana. Raha misy marina fitiavan-tanindrazana @ izay mahatsiaro ho afaka mahavita dia hatambaro ny asa sy ny saina fa ny tantara no hitsara ny tsirairay.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra