sam.
16
avril
2011
Ny mpivarotra PPN foana no voahenjika, kanefa raha atao ny kajikajy dia ireo no tsy mahazo tombom-barotra indrindra fa mitsimpotsimpona araka ny fiteny mahazatra. Nalaza tato ho ato ny tokony hampiasana faktiora ho an’ny mpanjifa. Nifamotoana teny amin’ny tsena Anosibe ny mpivarotra entana ilaina amin’ny andavanandro, avy amin’ireo tsena lehibe rehetra eto Antananarivo. Nikatona avokoa ny tsena mivarotra PPN teo Anosibe izay mahatratra 120 no isany, iany hoe ny ampaha roapolon’ny mpivarotra anatin’ny tsena Anosibe rehetra. Nitsangana ny sora-baventy, ary nivondrona tokoa ireo avy amin’ny tsena hafa rehetra. Tsy mbola nisy ny fifampiresahana amin’ny tompon’andraikipanjakana fa ny teny midina hanery azy ireo hampiasa faktiora no nampivondrona azy. Tsy mitombina ny fampiasana faktiora amin’ny mpivarotra PPN hoy izy ireo fa ny « Bon de livraison » no efa nahazatra ary tsy hita izay naharatsy azy. Raha faktiora mantsy no ampiasaina dia nambaran’ireo mpivarotra fa mitombo ny masonkarena. Ny lalàna no miady amin’ireto mpivarotra ireto na dia eo aza ny finiavan’ny fanjakana hampanarapenitra azy. Tokony tsy hivarotra raha tsy mahalala ny lalàna mifehy azy toy ny fandoavana hetra sy fanaovana karatra NIF. Ireto eo amin’ny PPN ireto kosa dia mandoa hetra, manana karatra NIF fa manana hevitra kosa amin’ny tsy tokony hampiasana faktiora, ka ireto miseho mivantana ireto ny tompon-kevitra.
HERY A