sam.
16
avril
2011
Filahiana vita amin’ny hazo anankitelo no mipetraka eo ambony karipetra fandraisana. Afaka misafidy amin’ireo ny mpitsidika tonga. Ao amin’ny tranon’i Mak Erot any Indonésie any no ahitana izany.Tsy fantatra mazava aloha izay tena niafaran’i Mak Erot,na efa maty na mbola velona any ihany. Saingy fanta-daza eran-tany kosa ny anarany, noho izy nanana hery miafina afaka manalehibe filahiana. Any atsimo atsinanan’i Java any no misy ny tranon’i Mak Erot, ao an-tanànan’i Caringin. I Haji Baban, tovolahy iray manao fitafiana silamo no mandray azo, izay mitonona ho zafikelin’i Mak Erot ary namindrany ny fahaizany sy ny talentany momba izay fahaizana manalehibe filahiana izay
« Betsaka ny olona tonga eto amiko. Ao ireo te hanalehibe ny filahiany. Ao ireo manana olana tsy mahavelona. Ao ireo mahatonga diso aloha loatra », hoy ny filazany. Raha ny navoakan’ny gazety Kompas dia voalaza fa ireo zanany dimy sy ireo zafikeliny 16 no nampitany ity talentany ity. tToy ireny fombafomba fanao fiantsoana ny herin’ny maizina ireny no atao rehefa tonga ao amin’i Haji Baban. Asainy misafidy ny iray amin’ireo filahiana vita amin’ny hazo eo anoloany ny mpitsidika, izay tiany ampitoviana ny halehiben’ny filahiana. Atao amin’izay ny fizahana rehefa avy eo. Ao anatin’ny fahanginana tanteraka. Betsaka ny toromarika asaina arahina. Anisan’izany ny hihinanana na hisotroana tambavy izay efa voavoatra manokana amin’izany. Ao izany asaina mihinana vary amin’ny bararata lehibe izany,vary miharo tantely sy voanio. Tsy adino ny fanosorana menaka manokana mialoha ny hatoriana amin’ny alina sy ny maro hafa. Mi totaly eo amin’ny 700 000 ka hatramin’ny iray tapitrisa roupies, izany hoe manodidina ny 7 ka hatramin’ny 100 dolara any ny vola aloa amin’io fizahana te hanalehibe filahiana io. Volabe izany ho an’ny mponina any Indonésie, saingy betsaka ihany koa ireo tsy misalasala mandany noho ny faniriana hanana filahiana goavana. Vola izay mampitombo ny volaben’i Mak Erot.
Manana vola 100 dolard zaho;ka ahoana ny itinéraire mankany fa intéressé be zaho
