sam.

16

avril

2011

Fiarovana ny zon’olombelona: Donto mihitsy ireto Amerikana ireto e ?

Be fitaovana avo lenta fotsiny, fa tsy maharaka ny tena zava-misy aty Madagasikara ireto Amerikana ireto. Ny fijerena ny zon’olombelona marina eto sy any aminy avy, dia tsy hain’izy ireo ny manavaka azy. Soa fa manana olona matsilo saina sy avo lenta amin’ny fari-pahalalàna isika, mba hanitsy ny lalan’ireo milaza azy ho be kintana. Tsy manaja nyzon’olombelona hono isika, ary firenena isan’ny nokianin’ity firenena milaza azy ho matanjaka indrindra eran-tany ity. Diso be izany, satria tena manaja ny zon’olombelona tokoa isika, tsy nanampim-bava ny mpanao gazety ny teto, fa nanagadra fotsiny. Tsy nanongam-panjakana, fa nandroba fahefana, ka nanitsakitsaka ny zon’ny vahoaka mpifidy no natao teto.

Tsy nitifitra mpanao politika, fa nampiditra am-ponja fotsiny no natao, ary tsy nahatratra amanjatony ireo olona nogadraina vokatry ny fanehoan-kevitra,fa am-polony maro, tsy mbola nandalo fitsarana tao anatin’ny roa taona latsaka. Izany no fanajana zon’olombelona aty Madagasikara, fa tsy mitovy ny any Zamerika. Mila ampianarina kely mihitsy ireo be kintana ireo, fa toa mianakendry fotsiny no ataony e ? Malalaka anie ny fanehoan-kevitra eto, fa raha vao mivoaka ny kianja fotsiny, dia mba ampiasaina baomba mandatsa-dranomaso sy samborina, dia vita e. Alefa any am-ponja avy eo. Izany anie no demokarsia eto nandritra izay roa taona izay e. Sa tadiavin’ireto be kintana ireto vatsiana vola sy omena seza indray ireo mpanohitra ireo,mba hanongam-panjakana, ary alefa any amin’ny hotely tsara tarehy izay olona voasambotra, ka izay vao tena zon’olombelona ? Tena tokony hianatra aty Madagasikara mihitsy ireo donto miseho miana-kendry izao fitondrana aty amintsika izao e ? Tsy mba toa an-dry reny malala mihitsy hoaho ireto be kintana ireto.

Tsy maty am-bavany

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Gasy Vava (lundi, 18 avril 2011 04:33)

    Aza dia omena tsiny loatra ry zareo be kintana fa ry zareo anie tsy mba nandranto fianarana teny Ankatso e.

  • #2

    AFO (mercredi, 18 mai 2011 12:10)

    eny hoaho, le mana-pahaizana matsilo eto amitsika tena mahay a, Bac-3 dia efa lasa prezida...prezida amin'ny inona mou fa tsy tadidiko?...aiza rany refa kelikely?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra