jeu.

14

avril

2011

Mirehitra ny tanàna

Miakatra ny vidin’ny solika, tsy mbola miditra mianatra ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mihanaka ny andiam-balala any amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy, tsy voafehy ny sondro-bidin’ny zavatra ilain’ny mponina an-davan’andro, tsy mbola nisy fanampahan-kevitra politika mazava ho amin’izay hisian’ny fitoniana, variana mandray vahiny isan-karazany ary mampidera fahaizana ny mpiketrika ny diplaomasian’ny fahefana avo, nakatona ny fanjonoana any an-dranomasina any amin’ny faritra atsimo any, noho ny fihanaky ny pozina. Vonjivonjena toy ny tsinain-kena izay rehetra toe-javatra miseho. Tsy mazava intsony ny lalana homban’ny firenena…Fa misy ny zavatra vita (ihany) azafady: Satria efa nahatontosa ny fanambaram-panany daholo ireo mpikambana vaovao sy ireo taloha tao amin’ny governemanta. Efa mety hanangasanga ny datin’ny fifidianana satria efa maromaro ny fikambanana iraisam-pirenena mpampirisika amin’izany. Na izany na tsy izany dia toa tsy misy fiatraikany akory izay maha fotoanan’ny fararano ho fiakaran’ny vokatra sy ny taom-baovao Gasy. Tsy misy faly be manao ahoana fa fitaintainana no betsaka satria mirehitra ny tanàna....

Nandefasan’ny Profesoran’Ivandry taratasy toa mananihany hafahafa ny tao an-dapa, omeny haja sy voninahitra ny mpanofa tranon’Ambohitsorohitra kanefa nohizingizininy eo ankilan’izany fanajàna izany fa efa lany daty ny taratasy ipetrahany amin’ity lapam-panjakana. Mahitsy dia mahitsy ny anatra omeny : « manajà tena ! ». Fa hisy vidiny inona amin’ny mpitarika ny tetezamita avo moa ny taratasy toa ireny ? Tsy tsaroan-dRa-Prôfy tokoa angamba ny tantara hatrizay fa vao niainga teny Ambohijatovo ny tolona dia ny ho « Prezidà » no masaka tao an-tsain’ny mpitari-tolona tamin’izany. Nampirehetina ny tanàna ary mbola tsy mety maty ny afo hatramin’izao, tsy mbola mety hifarana ny nofiratsin’ny Gasy, mbola ho lavareny ny ho tohiny satria tsy misy na iray aza mba nivazavaza izay tokony hampiatoana ny lalan’ny fitrifanana dia mbola miriotra tsy hay tohaina ihany. Ka ny taratasy toy ireny nataon’ny Prôfy ireny ve dia mba anisan’ny fampitoniana sy hampangatsiatsiaka ? Fa ny eny an-kianja koa dia tsy mitsahatra ny mamondrona ny heriny, ary mihevitra mihitsy ny tsy hiandry intsony izay ho fanampahan-kevitry ny SADC mbola any amin’ny andro tsy fantatra. Mifanatona tsikelikely amin’ny dingana ho fananganana ny tena ho tetezamita iraisana. Ka iza tokoa no hampiraisina amin’iza ? Tsy maintsy hampirehitra ny ady hevitra vaovao indray ny firosoana amin’izany dingana izany satria ny eo anivon’ny fitondrana dia efa nisafidy ny « aleoko maty, toy izay resy dohika ». Mihamitombo anie izany ny hantsana manasaraka ny mpanao politka e ! Sa atao fanahy iniana mihitsy ny fisarahan-kevitra mba hifamonoana an-toerana ? Moa manaraka ny lôjika ve ny fanetsehana ny Minisiteram-panjakana iray mba handeha hanao fanazavan-kevitra isam-paritra momba ilay taratasy natao rango-pohy ? Hazavaina amin’iza ? Dia hitondra inona izany ? Hamaha ireo olana marobe sedrain’ny vahoaka ? Taratasy tsy misy lanjany afa-tsy amin’ireo nanao rango-pohy azy ihany ve no hanagonan’olona sy handaniana vola ? Any amin’ny tsy mivonto tokoa no manaintaina…sa aleo aloha miteti-faritra mba hohitan’ny mponina fa mihetsiketsika sy « miasa ».

Ny Gasy ihany no afaka hamono am-pitoniana ny firehetan’ny afo eto an-tanàna. Tsy mitondra na inonna na inona ny fikoropahana amin’ny tetika bontolo izay mety hanitatra ny fidodaky ny afo indray. Inona no paika tian’ny Gasy mba hifehezana ny firehetana tsy hiitatra ? Tsy misy lesona azo tovoizina mihitsy ve ny tantarantsika, ny finoantsika, ny fombantsika ? Satria ve milamina sy tsy ady (an-trano) ny Gasy dia araraotin’ny mpandrehatr’afo ny fikorosoana tsikelikely. Sa mahay miari-pery sy kanosa fihetsika ? Satria manaiky izay hatolotra azy ? MIsy karazam-bahoaka roa izany eto : ny iray ilay mpitratrevatreva sy mpandrava efa, ary ny faharoa dia ireo manaiky sy manaraka ny onjany. An’iza ny andraikitra ? Satria mbola hitohy hatrany ny « loza » rehefa tsy misy rindran-damina maty paika e ! Hifanondraka rano mangotraka eto no hiafaràny fa manaova bemarenina ihany !

 

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra