jeu.

14

avril

2011

Lehilahy tsy mahavelona: Ireo fomba fisorohana

Toe-javatra mety hitranga eo amin’ny fiainan’ny lehilahy indraindray ilay hoe tsy mahavelona. Ny 76%-n’ny Frantsay no voalaza fa tratr’izay avokoa amin’ny ankapobeny. Ny vaovao tsara ao anatin’izany dia fantatra fa azo atao tsara ny misoroka azy io, araka ireto torohevitra aroso manaraka ireto. Voaresaka voalohany ny tosi-dra. Anisan’ny mahatonga io tranga io mantsy ny fiakarany, koa tsara raha ezahana tazonina ho latsaky ny 13/8,5 izay tosi-dra izay. Manampy betsaka amin’izany ny tsy fihinanana sira be loatra, toraka izany koa ny menaka sy ny siramamy. Ilaina kosa ny fahazotoana mihinana voankazo sy legioma matetika...

Antony anisan’ny voalaza ho mbola mitarika izay tsy mahavelona izay ihany koa ny fananana kibo ngeza loatra, ka raha azo atao dia aleo tazonina tsy hihoatra ny 102 sm ny refin’ny manodidina ny valahana. Ilaina ny fanaovana fanatanjahantena, sady itazonana ny lanja tsy hitombo rahateo. Torohevitra hafa, ankoatra izay, dia ny tokony hazotoana hanao firaisana ara-nofo. Ny lehilahy tsy mahavita manao firaisana ara-nofo afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro no voalaza ho tsy mahavelona matetika, asa na noho ilay hoe ela tsy niasana ka bobongolo !

Ny alikaoka moa dia tena fahavalon’ny fihenjanana mihitsy. Mandaitra io amin’ny lafiny rehetra. Raha te ho ela velona sy te haha-velona lalandava dia fadio ny fisotroana toaka. Tsy latsadatsak’izany koa ny sigara. Voalaza mantsy fa ny fifohana sigara roa tsy misy fiatoana dia mampihena ho amin’ny ampahatelony araka ny tokony ho izy ny fikorianan’ny ra ao amin’ny filahiana.

Na mety tsy hahavelona aza ny lehilahy indraindray dia tsy tokony handefa fisainana be loatra amin’izany ihany koa ny vehivavy. Ny fifankatiavana no zava-dehibe eo amin’ny mpivady, izay tsy miankina velively amin’ny fihenjanan’ny filahiana na tsia. Tsy tokony hoentina hanasarotana ny fiainana amin’ny maha-mpivady ny fisian’izay toe-javatra izay, satria mety mandalo ihany, azo sorohina tsara ary tokony hampahafantarina ny lehilahy izany. Raha tena mateti-pitranga loatra kosa anefa izy io dia tsara ihany ny manatona mpitsabo handraisany an-tanana ny raharaha.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra