mer.

13

avril

2011

Monja Roindefo: Mitohy ny fanatonana ny ankolafy telo

Nanomboka tamin’ny fanamarihana ny datin’ny 29 martsa lasa teo izay fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fo tamin’ny 1947 no nahitana an’andriamatoa Monja Roindefo, praiminitra teo aloha sy filoha mpitarika ny antoko Monima amin’izao niaraka tamin’ny ankolafy telo (ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka ary Zafy Albert) nanatitra fehezam-boninkazo. Taorin’io dia maro ireo mpikambana tao amin’ny ankolafy telo no tsy nankasitraka ny fiarahana amin’andriamatoa Monja Roindefo. Anisan’izany andriamatoa Manandafy Rakotonirina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ny antony moa dia ny fanagadrana ireo mpikambana teo amin’ity ankolafy ity ihany fony andriamatoa Monja Roindefo praiministra niaraka tamin’ingahy Andry Rajoelina. Na dia nisy aza anefa izany rehetra izany dia mbola mitohy hatrany ny fifampidihana ataon’ny filohan’ny antoko Monima amin’ny ankolafy. Araka ny vaovao azo dia efa manomboka mitovy fomba fijery ingahy Monja Roindefo sy ny ankolafy Zafy Albert. Efa nanaiky ny hiara-hiasa amin’ny antoko Monina ihany koa andriamatoa Zafy Albert. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka kosa dia mbola eo am-pandinihana. Mitohy hatrany araka izany ny ady hevitra eo amin’ireo antoko mpanohitra ireo.

Hilatsaka amin’ny fifidianana

Mbola nanamafy andriamatoa Monja Roindefo fa hilatsaka amin’ny fifidianana rehetra izay hotanterahina eto amin’ny firenena ary mitaky ny hanaovana an’io fifidianana io faran’izay haingana. Nambarany ihany koa fa filaminana ara-politika no ilaina eto amin’ny firenena ka tsy tokony hampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka. Tokony ny fifidianana filoham-pirenena no alefa aloha izay vao ny an’ny solom-bahoaka mba tsy hiteraka olana hafa indray. Eo amin’ny fanomanana dia ny fiaraha-mitantana no antoka mampisy ny mangarahara amin’ny fifidianana ary azo atao ny manangana rafitra iraisan’ny daholobe.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra