mer.

13

avril

2011

Famatsiana solika: Tsy maintsy hivadika ho « politika »

Aza mivarotra intsony mihitsy ianareo mpaninjara solika rehefa maty antoka e ! Ny an’ny mpanao fitaterana anie hadalana ny mbola iasany kanefa tsy mahita tombony sy tsy mahavelo-tena izy e ! Firifiry moa ny mpamily taxi eto Antananarivo eto no kivy sy ketraka eo ampiatrehana ny fitadiavany isan’andro ? Ary ny taxi-brousse sy ny kamiô any an-dalana any angaha mandry saina amin’ny ataon’ny mpanakan-dalana ? Angaha izany misy hivakian’ny mpitondra loha? Tsy maintsy alainy ny hetra na ho faly ianao na tsia. Hanamboarany lalana anie ireny e , amin’izay ianareo mpampiasa ny lalana mba misosa amin’ny godorao ! Tsy maintsy haroniny hatramin’ny any am-bilaninao any, satria olona adala mifikitra amin’ny asa tsy ahitàna tombony ts’inona k’ah ! Tsy hainareo ve fa efa mora daholo izao ny fiainana sy ny vidin-javatra ? Ny mofo dipaina izao, efa 300 Ar ny vidin’ny irain-jehy, ny vary efa dakan’ny alika fotsiny satria sady 900 Ar ilay « mora » no efa miakatra koa ny vary nambolena, efa mitsidika ny fararano, ny menaka mba 5000 Ar no vidin’ny iray litatra ivarotan’ilay mpanao ampihimamba azy. Taloha midehadehaka erý ny menaka « mendy » fony izy niseho ho mpanjaka teto. Koa ianareo mpaninjara solika dia hiady amin’ny vahioaka eo raha miana-kendry ho mahay mampiady tarehimarika isan-karazany eo.

 

Tsy misy vaha-olana

Alohan’ny faha-15n’ny volana ity dia tokony hahita vaha-olana ny fitondrana raha tsy izany dia haninona moa ianareo mpaninjara ireto ? Hanerika sa hanavandra ? Tsyny fitondrana Gasy anie no mahatonga ny vidin-tsolika ho lafo fa ny korontana ateraky ny politika maneran-tany e ! Tsy maintsy ho feran’ny fitondrana ihany koa ny vidiny tokony hivarotanareo azy eto an-toerana sao tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny isam-batan’olona Gasy. Latsaka anelanelany tanteraka amin’izay izany ianareo mpaninjara solika ireto ka rehefa tsy hiasa dia akatony ny trano fa tsy ampaha-firin’ny AGOA nanakato-trano akory ianareo. Rehefa tsy misy na koa manahirana io solika io dia tsy hahakitika anay mpitondra mihitsy, fa ianareo ihany no tratran’ny vavam-bahoaka eo. Ny olana kely ho an’izao fitondrana izao dia tsy mba afaka manao toy ny « taim-bava »n’ilay Ramose iray taloha izay : « Hanafatra solika mivantana ny fanjakana rehefa tsy hanao ianareo » hoy izy. Tadidinay tsara ireny, ary na dia 140 dolara aza ny iray barila teo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia tsy mba sahy nanakatona tsena toy ity anio ity ianareo tamin’izany. Ilaina ihany ny didy jadon’ilay Ramose ?

Mahaiza manetsa Ravaly

Tsy ho afaka hisedra ny halafon’ny vidim-piainana intsony ny Gasy na iza na iza, noho ity politikan’ny « tsy mahita lalan-kizorana » ankehitriny ity. Mifanome tsiny andro aman’alina fotsiny. Miseho ho hitan’ny rehetra koa fa politika tsy mikatsaka afa-tsy ny fanamarinana ny fihazonana ny fitondrana no miseho eto, ka mampikorontana ny fiainana an-davan’andron’ny mponina. Fony mbola azo notsaboina ny raharaha dia tsy niraika loatra tamin’izany isika. Ankehitriny efa lany tanteraka ny tahiry ao an-tsopitra vao mikaikaika sy mifanilaka. Tsy mbola nisy mpanongana sy mpandrava nahay nanangan-javatra sy manana vaha-olana maharitra izany fa aza be nofinofy e ! Andao hiasa fa aza mitokona intsony sao lazain’ny sasany fa « hetsika politika » eo indray ity atao.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra