mar.
12
avril
2011
Norombahin’iny olona iny ny laza sy ny voninahitra tamin’ny filalaovany ny horonan-tsary fohy, izay nampifaninanina teto amintsika. Somary fotsy sasaka ny volony, manao solomaso mainty fitondra amin’ny taniky ny masoandro izy. Miteny frantsay tsara. Niseho télé matetitetika nandritra ireo andro nahateto azy. Nomen’ny fitondrana voninahitra sy haja mendrika ho azy. Niedinedina tanteraka iny olona iny, fa misy mihaino ny resany e ! Fotoana manetriketrika sy hafakely ilay fotona nandraisana azy teny Mavoloha teny, raha vantany vao tonga izy sy ny ekipany. Noseraniny ny teny Mahazoarivo ka notehefina mihitsy ny tenany fa mitondra hery sy fahavitrihina ho amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Teny Anosy teny indray dia dinika narahin’asa no nifanaovany tamin’i « Maman » tompon-trano. Mety tsara sy feno ny fandaharam-potoan’iny olona iny teto amintsika teto ary rehefa niainga sy nandao ny firenena malagasy izy dia nanome toky fa hitondra ny tenin’ny « malagasy » hono e ! Ka diso àry ve ny filazàna fa lasan’iny olona iny ny amboara tamin’ilay fifaninana horanan-tsary fohy ?
Mbola manana fotoana lavalava tsara ny ekipan’iny olona iny satria tsy mbola ho amin’ity herinandrio ity indray ilay fihanonana an-tampony eo amin’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC. Mbola any amin’ny tapatapaky ny volana Mey any indray e ! Asa raha azonao tsara ny resaka fa iny olona iny anie, no hiady ny tombotsoan’ny Gasy eo anivon’ity vondro-paritra SADC ity e ! Dia hirotsaka ho amin’ny fanazaran-tena tanteraka izany iny olona iny , ary izy no « tera-tany vahiny » hanampy isa ny mpihazona ny fahefana. Fa mialoha ilay fihaonana dia efa nilaza iny olona iny fa alefaso avy hatrany ny fifidianana fa vonona ny hanara-maso ny maha-mangarahara izany ilay vondro-paritra COI izany tarihiny. Lasa saina ny mpanara-baovao raha nahare izany : Hanara-maso ahoana indray e ? F’angaha tsy efa tafiditra ao anaty vilanin’ny fiketrehana miaraka amin’ny mpitondra avon’ny tetezamita iny olona iny ? Sa izay no maha-mpilalao matihanina azy ? Sady milalao no manara-maso ny mety ho fandikan-dalàna, ary rehefa ao anatin’ny fifaninana dia hijoro ho mpitsara ? Mihevitra ny hampiantso fivoriam-ben’ireo Minisitry ny raharaham-bahiny ao anatin’ity vondro-paritry ny ranomasim-be Indiana ity iny olona iny raha ny firesany, ary ho afaka sy hahazo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Fanomanan-tena ve hihoatra an’izany ? Nandritra ny atrik’asa natao teny amin’ny trano fiasan’i « Maman » teny Anosy dia nanambara ireto delegasiona tarihin’iny olona iny fa tena banga ny toeran’i Madagasikara eto amin’ny ranomasim-be Indiana, koa hanao ny ezaka rehetra izy ireo hamerenana ny « namany » fa mahatsiaro ho mangahiahy sy tsy ampy isa.
Any amin’iny olona iny indray izany izao ny toky sy ny fanantenan’izao fitondrana avon’ny tetezamita izao. Iny olona iny no hanampy an’ilay olona nanoratra sy namolavola ilay ravin-taratasy. Dia ry zareo ireny no « maotera » hampihetsika indray ilay ezaka efa natao teto nandritra ny roa taona mahery izao. Mahazo manantena hatrany an’iny olona iny izany ireo rehetra mino sy mahatoky ny talenta ananany fa tsy maintsy handresy izy rehefa hiakatra kianja any Afrika any. Enga anie tsy ho tratran’ny tampoka toy ilay nahazo ny Barea zandriny tamin’ny alahady teo, fa manjary tsy misy dikany ny fihetsiketsehana sy ny toky maro isan-karazany nomena ny teto amin’ny tanàna. Rehefa betsaka ve ny « pro » sy ny teratany vahiny hanampy sy hisalotra ny akanjon’ny FAT tsy hihogahoga sy hanampy azy daholo ihany ny mpisehatra iraisam-pirenena ? Dia hisy haneso indray izao any ho any hoe : « Manantenà tain-tsokina »