mar.
12
avril
2011
Mampametra-panontaniana ny mpivady maro ny fanaovana firaisana ara-nofo mandritra ny fadim-bolana. Toy izao no azo resahana manodidina izany. Azo atao sa tsia ? Ho an’ny mpikaroka dia tsy mbola nisy mihitsy aloha hatreto ny fandrarana ny mpivady tsy hanao firaisana ara-nofo, mandritra ny fotoana fahatongavan’ny fadim-bolan’ny vehivavy. Mety haharikoriko fotsiny izany ho an’ny hafa, nefa rehefa tena mila moa, inona ny olana, hoy ihany ny mpikaroka.
Lazainy aza fa mandritra iny fotoana iny no tena mampiakatra ny filan’ny vehivavy hanao firaisana ara-nofo. Voalaza mantsy fa manampy betsaka amin’ny fanamandoana ny fivaviana ny fisian’ny ra mandritra iny fotoana iny. Fantatra ihany koa anefa, ankoatra izay, fa manafaingana kokoa ny fifindran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny fisian’izay ra izay, ka tsara ny mitandrina, mampiasa fimailo amin’iny fotoana iny. Sady manakana ny ra tsy hitankosona amin’ny filahiana rahateo. Antitranterina ihany anefa fa samy manana ny fitiavany sy ny fahazarany ny olombelona tsirairay. Misy ireo mety hankafy ny firaisana ara-nofo mandritra ny fadim-bolana. Misy ireo rikoriko. Ao ihany koa ireo finoana isan-karazany izay mandrara ny fanaovana izany. Sora-jandiana io ka samy manana ny tiany !