mar.
12
avril
2011
Tsy maintsy hanao amboletra ho amin’ny fifidianana izay hotanterahina eto amin’ny tany sy ny firenena ny governemantan’ny Praiminisitry ny fahefana avo tarihin’i Vital Camille. Hanampy azy amin’izany ny vaomiera-pifidianana mahaleotena (Ceni). Anjaran’ireo rehetra antoko na vondron’olona mandrafitra izao fahefana mitondra an’i Madagasikara izao no mieritreritra raha mitondra any amin’ny famahana olana izany tetika izany, na tsia. Nanome antoka mantsy ny COI fa hanara-maso io fifidianana io. Niseho niharihary ihany koa fa « ny fonony fontsiny no kanto sy meva » ny an’ireo avy ao amin’ny vondro-paritry ny ranomasim-be Indiana (COI) ireto satria ilay mpitarika ny delegasiona mihitsy, ny Dokotera Boolell Arvin, no nampirisika mafy ny Ceni sy ny Praiminisitra raha nihaona teny Mahazoarivo ry zareo ireo, fa mizotra amin’ny tokony ho izy sy mandeha any amin’ny fandresena lahatra ny iraisam-pirenena ny COI mba hampanjary izany fifidianana izany. Izy tennany ihany anefa eo an-danin’izay dia mananmbara fa ny SADC sy ny fivoriana an-tampony hifanaovan’izy ireo no manapaka ho amin’izay lalan-kivoahan’ny Gasy eo amin’ity kizo misy azy ity. Dia inona izany no tanjak’ity Dokotera ity ? Inona no anjara birikin’ny firenena Maorisiana ? Inona no mba halahatry ny vondrom-paritra COI ?
Hitondra ny tenin’ny fitondrana avo
Ity Dokotera Maorisiana ity ve afaka hiatrika ny fivorian’ny Sadc ? Dia ny tenin’iza no arovany sy hoentiny amin’izany ? Azo antoka fa tsy ho ny tenin’ny vahoaka malagasy velively, satria ilay ravin-taratasy vita rangotra teny Ivato no harovany amin’izay resaka hataony any (raha ho afaka hiteny amin’izany izy). Olona miisa efajato no nanao rango-pohy iny taratasy iny, ary tsy ny hamaha ny olana Gasy no tena anton’ny sonia rango-pohy nataon’izy ireo fa ny hahafahany hiditra ao anatin’izao fahefana mitondra izao. Mifangaro amin’ity Minisitry ny raharaham-bahiny Maorisiana ity ny atao hoe « fahefana avon’ny tetezamita » sy ny « Malagasy ». Ny fahefana mitondra eto Madagasikara matoa mbola tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena dia noho izy tsy nivoaka tamin’ny fifanarahan’ny rehetra (fifidianana, na dina nifanaovana). Raha hitondra ny hevitry ny mpomba ny fahefana avo no asan’ny COI eo anivon’ny fivoriam-ben’ny SADC dia tsy maintsy hisy saritaka ara-diplaomatika izany fihetsika izany, ary tsy haharesy lahatra velively ny teti-panorona ho amin’izany hevitra izany. Inona moa no maha-samy hafa ny Dokotera Simao izay nampirisika ny fananganana ny governemanta tamin’ny alalan’ilay ravin-taratasy, sy ity ataon’ny Dr Boolell manatevina ny resaka fifidianana amin’izao endriny hitondran’ny fahefana avo sy ny Ceni azy izao ? Aronjon’ny COI hanao fifidianana amin’ny herin’ny tenany sy amin’ny heviny manokana ny fitondrana avo, na dia fantany tsara aza fa tsy heken’ny firenena mikambana izay fifidianana mandeha amin’izany lalan-tokana izany.
Voakiana mafy sahady
Tsy mbola miray feo ny Gasy rehetra amin’ny ankapobeny fa ny lalana nosoritan’ny fitondrana avo niaraka tamin’ny Dr Simao, izay nomen’ity COI ity rariny no tao hoe vaha-olana iombonan’ny rehetra. Manamporofo izany dia tsy eken’ireo mpanohana ny filoha taloha telolahy sy ireo rehetra tsy manaiky ny fahefana avo ny « fihetsiketsehan’ny COI ». Tsy ny fanomezana rariny ny fihazonana ny fahefana eto Madagasikara velively no vaha-olana tadiavin’ny Gasy. Tsy ny fanamarinana ny hevitra sy ny tetika hanaovana amboletra mankany amin’ny fifidianana no hadika ho fitoniana ara-politika. Tsy mahagaga raha naneho hevitra ny departemantan’ny fifandraisana Amerikana tamin’ny alalan’ny tatitra izany nataony ny 08 aprily farany teo fa tsy azo ekena ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010, satria fanapahan-kevitra tsy niarahana no nanatanterahana azy ary fanomezan-drariny hevitr’olo-tokana ihany. Tsy ara-drariny, hoy ihany ity tatitra ity, ny fisamborana ny mpanao politika sy ny fiarovana ny zon’olombelona. Dia inona no izany no tohin’ity « tosika » ataon’ny COI ny mpitondra eto amintsika ity ? Fantany tsara mantsy ety amboalohany fa angady mondro tsy mahatapak’ahitra izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha vaha-olana ara-politika no resahina. Ka iza marina no mivarotra am-pitsanganana ? Ny fahefana avo sy ireo mpomba azy sa ireto vondro-paritry ny ranomasim-be Indiana na COI ireto ?