lun.

11

avril

2011

Famahana ny krizin’ny gasy: Mila diplaomasia matanjaka

Tsy rehefa tsara resaka aminao akory ny solontenam-panjakana vahiny iray, na maromaro, dia midika izany fa manaiky sy manamarina ny fanapahan-kevitrao izy sy ilay fireneny. Tsy azo hamaritan-javatra velively izany. Izay ilay fomba firesaka sy tetika diplaomatika. Mety ho azo adika ho fihatsaram-belatsihy ve ? Arakaraka ny fomba handraisana azy ! Nanotrona ny fanaovana ny rango-pohy ho amin’ny fampiharana ilay ravin-taratasin’i Dr Simao ny masoivoho vahiny rehetra miasa sy monina eto amintsika, fa fampirisihana hiroso bebe kokoa amin’ny fampiharana ilay voasoratra sy ny dinika no tena dikan’ny fanatrehany ny lanonana. Manameloka ny tsy fanajana ny zon’olombelona indray ny hafa, fa tsy mahasakana azy tsy haka ny toerany eo amin’izay tiany hombàna akory izany. Ny olana ho an’ny fitondrana avon’ny tetezamita ankehitriny dia ny tsy fananany io diplaomasia matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Resahina matetika fa hetsi-bahoaka no niseho teto ka mendrika ho tohanan’ny sehatra iraisam-pirenena, kanefa niharihary loatra ny fihetsiky ny miaramila teo ambany mason’io sehatra iraisam-pirenena io. Nolazaina fa nametra-pialàna ny filoha taloha, kanefa nahoana no any amin’ilay mpitarika ny tolona izay nifanandrina mivantana aminy no niafaràn’ilay fahefana nomeny ? Tsy sahy mitoky amin’ny fifidianana handraisan’ny mpanao politika mpifanandrina aminy ny fahefana mitondra an’i Madagasikara, ka noho izany indrindra no tsy hatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena azy.

 

Tsy manao dingana mihitsy

Fifehezana ny firenena hatrany no hitan’ny mpisehatra iraisam-pirenena eto amintsika fa tsy dingana ho amin’ny fitoniana politika. Tsy voatery hirotoroto any amin’ny fifidianana ohatra raha tiana ny hampanjaka marina ny fahatokisan’ny rehetra. Inona no tsy hahavitan’izao fitondrana izao mamotsotra ny « gadra politika » na dia ho amin’ny ampahany ihany aza ? Ireo raharaha nahavoarohirohy miaramila manamboninahitra teny Ambohijanaka, na FIGN, na koa ny BANI dia misy fitanana am-ponja izay tsy nandalo fitsarana akory. Misy fikorontanana any amin’ny Faritra Anôsy, vao haingana, noho ny fitakian’ny mponina manoloana ny fanondranana andramena tsy manara-dalàna. Dia manampatra ny fahefana eo ampelatanany ny mpitondra any an-toerana (izay notendrena) mampiasa ny hery ara-tafika. Io fihetsika io dia midika fa tsy voafehy ny fanamparam-pahefana, ary manamarina fa hery miaramila no ampiasaina eo amin’ny toeran’ny dinika ara-politika. Tsy misy fanehoan-kevitra mifandona mihitsy na dia amin’ny alalan’ny haino aman-jery fotsiny ihany aza amin’izao fotoana izao fa ny hevitry ny mpitondra ihany no terena ho eken’ny ambanilanitra. Tsy ampy ny sera , na dia hambara matetika aza fa mitombo ny karazany. Izay no eto antiny fa teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy nahavita dingana, na koa nahita irika mba handresen-dahatra io sehatra io ny mpitondra. Fahafaham-baraka hatrany aza no azo noho ny famadibadihan-desaka teo amin’izay fifanarahana efa vita. Efa minisitra telo samihafa no nitantana ny diplaomasian’ny fitondrana avo hatramin’izay roa taaona izay , fa ilay voalohany dia nitsoa-pahana fa tsy nahita rirany, ilay faharoa kosa dia nanao vavabe tamin’ny Reny malala ka tratran’ny teritery ary tsy maintsy noesorina(?), ilay amin’izao fotoana dia akaikikaiky kokoa ny « mpibaikobako » no mitantana ao, ka mifandimby raisina ao Anosy ao ny vahiny marobe mba hanomezana tanjaka izay diplaomasia izay. Tsy mbola hita ny mety hahombiazany fa toa mbola misitery.

Ataovy izay ialàn’ny sazy

Tsy mbola fantatra mazava hatramin’izao ny daty marina hanatanterahina ilay fihaonana an-tampon’ny Sadc, kanefa tsy mihevitra ny hanomana izay fehen-kevitra na koa fiarovan-tenany manoloana izany ny mpitondra avon’ny tetezamita. Ny firenena manaiky miresadresaka aminy no heveriny hitondra ny teniny eo amin’io sehatra io. Isaky ny misy fanampahan-kevitra mivoaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (ohatra ny sazy mihatra amin’ny mpitondra) dia tsy ny hanazava anton’ireny fanapaha-kevitra ireny no mahamaika, fa ny fanaovana ho tsinontsinona indray aza no masaka an-doha. Anisan’izany ny fandrangarangana fa tsy maintsy hatao ihany ny fifidianana na ho azo ny fankatoavana sy tso-dranon’ny iraisam-pirenena na tsia.Amin’izao fotoana maha atomotra ny fanapahan-kevitra ho an’i Madagasikara izao dia mihetsiketsika mafy ny mpitarika ny diplaomasian’ny fitondrana avo, ka hiaro ilay ravin-taratasin’i Dr Simao no tena masaka amin’ny politikany fa tsy ny fikarohana marina ny fototry ny olana. Misy hevi-diso aza indraindray ka nolazaina sy natao laza masaka fa efa nanaiky ny dingana vitan’izao fitondrana izao ny SADC. Tsy manana ny tanjany eo amin’ny diplaomasia ny fitondrana avo kanefa milaza sy mitonona ho mpitondra ny feon’ny firenena malagasy. Izany ihany no namasohan’ny Afrikana ny mpitarika fa tsy nahasolo tena am’i Madagasikara ilay saika hiteny tany amin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana. Porofoy fa tsy misandoka ho mpitondra an’i Madagasikara ianareo dia vita kabary e !

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra