sam.

09

avril

2011

Nisy nilaisoooo (*) ?

Nivanàka daholo izay nihaino iny olona iny, nanazava amin’ny antsipirihiny ny mombamomba ireo fitaovan’ny haino aman-jerim-panjakana izay nafaran’ny mpitondra taloha, tamin’ny alalan’ny maha-mpitondra fanjakana azy, avy tany Alemaina tany. Tena goavana sy matanjaka ny fitaovana ary tsy maintsy hapetraka amin’ny toerana tokony hametahana azy any amin’ny faritra rehetra any mba hahalavorary ny fandraisana ny feo sy ny sary avy aty Anosy. Tsara izany fanampahan-kevitr’iny olona iny,ary hiderana azy manokana, satria mampiseho ny endriky ny fiftohizan’ny raharaham-panjakana tokoa. Aleo tokoa hampiasana toy izay nahiboka ao anaty kesika fotsiny tao. Nanambara àry iny olona iny fa nisy raha tsy manjary tao ambadik’izao fanafarana entana nataon’ny fanjakana izao.Raha nambara ombieny ombieny hatrizay fa 20 tapitrisa Euros no teti-bidin’ireo entan’ny TVM sy ny RNM ireo, dia hita ihany roa taona aty aoriana fa nisy « be vinany » nanodikodina ny vola sy ny fitaovana...

Hanky va re, hoy ny rehetra nihaino iny olona iny : tsy nisy afa-tsy 4 tapitrisa Euros ny vidin’ireo entana ireo, ary ambonin’izany dia mbola natambatra tamin’ny fitaovan’ny MBS (an’i Marc Be Saosy) ihany koa. Nanazava tamin’ny fomba hentitra iny olona iny, fa tetika nataon’ny mpitondra taloha mba hanodinana ny volam-panjakana ho an’itony orinasa tsy miankina itony no antonanton’izany paipaika rehetra izany. Ary efa nisy aza tamin’ireto fitaovana ireto no nampiasaina teny amin’ny lapan’i Mavoloha tamin’ireny fotoana mivaivay ireny. Tato anatin’ity tetezamita avo ity dia efa fanin’efatry ny minisitra nitantana ity ministera ity iny olona iny. Nampiavaka azy ny famotsipotsirana ny tokony ho izy sy ny fahamarinana hatrany eo amin’izany fitantanana ny raharaham-panjakana izany. Diovina sy mila alamina ny asa fanaovan-gazety, ka ao anatin’ny ezak’iny olona iny aminin’izany, dia mila apetraka tandro hasina (na éthique), ny fampiharana ny lalàn’ny fifandraisana mba tsy hanenjehan’ny lalàna ny mpanao gazety eo am-panatanterahiny ny asany, ny fanalalahana ny fahazoana mitrandraka sy manamparitaka ny haino aman-jery hahenika an’i Madagasikara. Dia feno hery tokoa iny olona iny amin’izany dingana rehetra ho tratrarina izany, ary hita taratra eny amin’ny zoto-po sy ny finiavana hanatsara sy hampiroborobo ity asa iarahamanana ity. Marina fa anisan’ny mampiavaka iny olona iny amin’izy mpitondra izao, ny fahatsorany sy ny fihainoany ny hirifirin’ireo mpampahalala vaovao. Izy irery, amin’ireo minisitra ao anatin’io governemanta Vital io, no tsy hitangoronan’ireny « mpiandry manokana » ireny. Miavaka iny olona iny satria na mpamily aza tsy nilainy akory fa izy ihany no mamily ny fiarakodiany. Endriky ny fitsitsiana sy fahaizana manetry tena ho an’ny firenena sy eo anatrehan’ny vahoaka izany ! Fa toetra tsy mety tafala amin’iny olona iny ny teny henjana toa maneso ireo rehetra mpitondra teo aloha. Eo ihany koa ny fandrangarangany « dossiers » eo an-tananany noho ny fanadihadiana nataony (manokana) mikasika ny mpanao politika tiany hotifirina. Anisan’ny tarazon’iny olona iny noho ny filomanosany tao anatin’ny asa fanaovan-gazety efa ho telopolo taona latsaka kely ve izany ? Ny irariana mba hilofosan’iny olona iny kokoa dia ny famotsipotsirana ny tsy rariny ara-politika mihatra amin’ny mpiara-belona indrindra amin’izao maha-mpitondra fanjakana azy izao. Asa mety tsy hampiova an’iny olona iny ve ny fandraisany ny fahefana eo an-tanany sy ny firotsahany bebe kokoa eo amin’ny politika ? Aza avela hisy hilaiso intsony (na mivantana, na an-kolaka) eto amin’ny tanàna r’iny olona iny fa aleo hiharihary ny marina a ! La verité e !

Dadan’i Ranto

(*) nisy nanodikodina sy nangalatra

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    jacta (dimanche, 10 avril 2011 16:07)

    Mety ho tsara sy hahavita azy INY OLONA INY raha tsy miova ny... ; mampiova zavatra ny seza sy ny fahefana izay ananana ka eto isika ahita Azy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra