sam.
09
avril
2011
Mety ho betsaka ireo olona nanao firaisana ara-nofo tsy nandalo « préliminaires », na ireo safosafo sy orokoroka mialoha ny tena zavatra. Ho an’i Gérard Leleu, manampahaizana manokana amin’ny fiainana ara-pananahana, dia tsy tokony hametraka olana eo amin’ny tsy fahazoana fahafinaretana loatra izany. Toa izao ireo torohevitra atolony manodidina izany. Entaniny hanao « masturbation » ny olona manao izay firaisana ara-nofo tsy misy « préliminaires » izay. Voalazany mantsy fa manampy betsaka amin’ny fanaitairana ny taovam-pananahana ny « masturbation », sady manafaingana ny fahamandoany. Manaraka izay dia tokony hanala ny sorisorintsaina rehetra ihany koa fa dia afantoka amin’ny fiarahana fotsiny ny saina sy ny vatana manontolo...
Tsara kokoa raha ireo « positions » mamela ny vehivavy ho afaka hanafosafo ny tenany no ampiharina. Tsy ilaina ampahatsiahivina loatra intsony ny resaka tambitamby ao anatin’izany. Io no tena ilain’ny vehivavy, ka na dia tsy misy aza ny « preliminaries ara-nofo, rehefa ampy tsara ny tambitamby sy ny teny mamy, dia tokony hizotra araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra. Momba ny tena fiarahana moa dia voalazan’ity mpikaroka ity fa arakaraka ny maha-ela azy no maha-tsara azy, saingy tsy tokony hatao an-kerisetra fa dia ny milamindamina sy ny misesy ihany no tena iriana. Na eo aza anefa ireo torohevitra isan-karazany ireo dia tsy misy ohatry ny fanaovana firaisana ara-nofo miaraka amin’ny « preliminaries » ihany. Ankoatra ny mahamari-pitiavana voalohany azy dia ilain’ny vatan’ny vehivavy izy eo amin’ny fampiainana miaraka ny tsiron’ny firaisana ara-nofo.