sam.

09

avril

2011

Fanohanan’ny maorisiana ny FAT: Fitapitaka ireny hoy ny ankolafy telo

Nahavàka ny sain’ny mpanara-baovao ny namoahan’ny governemanta maorisiana ilay fanambarana milaza ny fanohanan’ity Nosy kely mpikambana ao amin’ny vondrona SADC ity fa manohana ny fampiharana ilay sori-dàlana novolavolain’ny Dr Leonardo Simao ny Nosy Maorisy, ary naneho ampahibemaso fa manohana ny fitondrana FAT taorian’ny nijoroan’iny governemanta lazaina ho governemantan’ny « firaisam-pirenena » iny. Fantatra anefa fa mbola tsy nankatoavin’ny troïka-n’ny SADC io sori-dàlana io, fa mbola hisy fihaonana an-tampony manokana ataon’ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny Vondrona SADC handinika manokana momba ny famahana ny krizy politika malagasy. Dia inona loatra ary no nampitetateta ny fitondrana maorisiana hisaraka sy tsy niray hina amin’ireo mpiray vondrom-paritra aminy, fa niseho nandeha irery toy izany, hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao ? Raha ny fijerin’ny ankolafy telo izany toe-javatra izany, araka ny nambaran’Atoa Randrianarisoa Guy Rivo, mpitondra tenin’izy ireo, dia« Fihetsika mampalahelo sady tsy mifanaraka tamin’izay notapahin’ny troïka tamin’ny 31 martsa 2011 iny fanambarana nataon’ny governemanta maorisiana samirery iny...

Sady mitory tsy firaharahiana ny firaisan-kinan’ny samy tany mpikambana no manosiosy ireo fepetra diplomatika tsy maintsy arahina amin’ny famoahana fanambarana ofisialy itambaran’ny mpiray vondrom-paritra, izay mbola ao anatin’ny fanohizana ny fifampidinihana ankehitriny». Nazavain’ity mpitondra tenin’ny ankolafy telo ity ihany fa « fihetsika maneho fiandaniana tsy hamaha ny olana politika eto Madagasikara ny fanohanan’ny nosy Maorisy ary manameloka ny fitapitaka toy izany ry zareo, indrindra fa tamin’ny anaran’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indiana (COI) no nanaovany ny fanambarana. Vaomiera teknika tsy natao mihitsy hitsofotsofoka amin’ny raharaha politika, ary tsy nomen’iza na iza alàlana sy fahefana amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny krizy politika Malagasy hatrany am-piandohana ka hatramin’izao dingana misy ny fifampidinihana izao ». «Vao mainka hanakorontana ny fikatsaham-bahaolana ny fihetsika manira-tena tsy mifototra amina fenitra araka ny làlana toy izany, ary azo heverina ho toy ny tetika maizina sy fitapitaka feno hafetsena hisongonana ny fanelanelanana iraisam-pirenena izay efa nankinina tamin’Atoa Joaquim Chissano manokana hatrany am-piandohana ». « Tsy maintsy hentitra ary tokony ho tony tsara ny tsirairay sady mandray ny andraikitra tandrify azy eo anatrehan’izany endrika tsy fanajana miseho izay tsy hahitana vokany sy vao mainka hampitarazoka ny firosoana amin’ny fametrahana tetezamita tsy miandany sy tsy manilika ary eken’ny rehetra toy izany, hoy ihany Atoa Randrianarisoa Guy Rivo. Efa mazava, hoy izy, ny dingana manaraka, araka ny fanapahan-kevitry ny SADC tamin’ny 31 martsa lasa teo, dia ny hisian’ny fihaonana an-tampony manokana, ka tokony hiomana amin’izany na ny eto an-toerana na ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra